Tatibolana

Tatibolana

Tatibolana

Hifaneraserana sy hitaterana ny vaovao maneran-tany mba hanamafisana ny firahalahiana sy hifanohanana amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly

Azonao atao manindry eto mba hanoratra ho anay raha te handray anjara amin'ny fanoratana na koa hanoro hevitra...

IZA SY FIRY AVY NY ANJELY SY ARKANJELY.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry jeu., novembre 07, 2013 23:30:27

Ho an'i Teandalina.
Miarahaba anao, ary mirary ny soa sy ny tsara rehetra! Enga anie ny anjely sy ny Arkanjely hitondra hazavana aminao, sy hitondra anao ho amin'ny hazavàna mamirapiratra kokoa hatrany!!!
Miezaka ny hamaly sy hanome taridalana anao arak'izay mba azoko aho.
Ny momba ny fanontanianao, dia araka ny Baiboly hatrany, no amaliantsika azy: satria io moa no fototra iorenan'ny finoantsika.

1°- Voalohany indrindra aloha, ny Baiboly, tsy manavaka hoe ARKANJELY na ANJELY: fa na ao amin'ny Testamenta Taloha, na ny Testamenta Vaovao, dia "ANJELY" daholo no ilazàna azy rehetra ireo.
- Marina fa ao amin-ny Baiboly misy resaka fanahy sy zavamanan-aina hafa. Oh i Md Paoly miresaka "ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra." (1 Kor 15, 24) Fa sarotra ny milaza hoe ny anjely na ny arkanjely ihany no eritreretin'i Md Paoly amin'ireo.

Asa, mety misy koa aza “catégorie” ambony-mihoatra ny arkanjely, na ambany-latsaka noho ny anjely, fa tsy fantantsika.
- Toy izany koa, " ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina (Efez 1, 21, Kol 2,10).

Dia diniho tsara ny hoe: “tsy amin'izao fiainana izao ihany [=eto an-tany], fa amin'ny fiainana ho avy koa [=any an-danitra sy any an-koatra any: satria mandalo ny lanitra sy ny tany],.." Ny arkanjely ve no lazainy amin'ireo? Sa misy "zavamanan'aina" hafa, manampahefana sy fiandrianana eto (an-tany ?!?), ankoatran'ireo andriana sy mpanjaka amintsika olombelona?! Samia mandalina isika rehetra....
- Ny azo lazaina aloha, dia tsy miresaka ny eto an-tany intsony i Md Paoly, satria i Kristy efa nitsangan-ko velona, sy efa any an-kavanan'Andriamanitra ny resaka eto (Efez 1, 20): ka ireo izany azo eritreretina tsara hoe "zavamanam-panahy" any an-danitra. Anjely ve sa Arkanjely?!!!...
- Toy izany koa hoe ny asa niandraiketan'izy ireo no anavahana hoe: anjely na Arkanjely izy ireo. Ireo mitondra hafatra manokana, na anankinana andraikitra manokana-lehibe dia antsoina hoe “Arkanjely”: Rafaely (Tobia 3 ss), Gabriely (Dan 8, 16; 9, 21; Lk 1, 19.26), Misely (Dan 10; Joda 1,9; Apok 12, 7). Ao koa ireo anjely fito mijoro eo anatrehan’Andriamanitra, mpitsoka trompetra amin’ny farandro ().
2°- NY FAMPIANARAN'NY OLOMASINA SY NY "TRADITION" ary ny APOCRYPHE (ireo lahatsoratra tsy tafiditra ao amin'ny Baiboly ), no miresaka hoe iza sy iza avy, ary firy izy ireo.

- Singanina manokana eto ny Bokin’i Enòka (I Enaoka: jereo Jen 5, 24): araka ny boky nosoratany, dia fito ny Arkanjely, araka ny filaharany: Uriel, Raphael, Raguel, Michel, Sariel, Gabriel ary Phanouel. Voalaza fa mitoetra manodidina an’Andriamanitra, amin’ny vazantany efatra izy ireo.

Ka arak’ireo fanadihadiana tsotsotra eo ambony ireo dia sarotra ny milaza hoe iza sy iza avy izy ireo, na firy izy ireo.

Avy eo indray dia ireo ihany ve: fito, satria ireo no fantantsika sy “mifanerasera” amintsika ary zakan’ny saintsika!!? Satria tsy hoe izay takatry ny sain'olombelona ihany no misy…

Fivorian’ny anjely alinalina ny any an-danitra (Heb 12, 22): anjely daholo ve ireo sa firy ny Arkanjely…

MARIHINA ihany koa fa betsaka no miresaka anjely sy Arkanjely amin’izao fotoana izao, na ny vahiny aza…

Ny mampalaelo dia ny fomba fandraisan’ny olona sasany azy ireo: noho ny fizahozahoana tafahoatra ao amin-draolombelona dia zary lasa toy ny “mpanompo-mpanampy” fotsiny izy ireo, …

Ny olona sasany aza sahy miteny mihitsy hoe mba hanompo ny olombelona (fotsiny) no naharian’Andriamanitra ny anjely (sy ny arkanjely)….

Ny tena tsara raha tena mino isika, dia ny miantso sy miresaka mivantana amin’izy ireo. Tena marina tokoa manko izay voalaza hoe: ny voasoratra ao amin’ny Baiboly dia ampy mba hinoantsika, fa tsy hoe akory hoe izay tsy voasoratra ao dia tsy misy.

Mirary soa ho anao.



  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post162

NY FINOANA SY NY FITADIAVANA FAMANTARANA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:33:30

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

― Ny finoana sy ny fitadiavana famantarana.

Fa hoy izy tamin'ireo: Raha tsy hitako ao amin'ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin'ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho.

Na eo amin’ny fiainana andavanandro na amin’ny fiainana ara-panahy, dia tsy i Md Tomà ihany, fa ny olombelona rehetra, dia samy manana io faniriana hitady famantarana io avokoa. Tsy misy amintsika mino avy hatrany izay zavatra ambara azy na henony, fa tsy maintsy “mitady famantarana” aloha, manamarina amin’izay efa hitany na henony, manamarina raha mitombona sy lojika izany na tsia....

Koa tsy hadisoana velively akory ny mitady famantarana amin’i Jesoa raha misy fisalasalàna, fa azontsika atao tsara ny mangataka am-panetrentena, ny famantarana amin’i Jesoa hoe: asehoy raha tena izany no sitrakao!

Izany rahateo no nataon’i Jesoa eto: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tànany sy ny lanivoany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.” Nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany: izany hoe nanehoany famantarana ireo mpianatra, izay mety ho nisalasala sy nieritreritra hoe inona no famantarana fa tena i Jesoa ity, ka faly izy ireo.

Ka inona àry no mahatonga an’i Md Tomà hataon’i Jesoa hoe: “Aza malain-kino?”. Tsotra ny antony: satria ny an’i Md Tomà dia tafahoatra loatra ny fitadiavana famantarana. Ny an’ny mpianatra ampy ny mahita hoe: misy fery sy loaka ny lanivoa sy ny tanana, na ny tongotr’i Jesoa. Ny an’i Tomà mbola ampiany hoe (na hitako aza ireo dia mbola mila) hataoko ao sy atehiko eo ny tanako (sao angamba fanova-maso fotsiny izany sanatria?). Ary angamba aza, raha mbola nisy famantarana na zavatra hafa mbola azo porofoina, dia mety ho mbola niampy ireo.

Fa tsy mampaninona an’i Jesoa anefa izay fomba hinoantsika sy hahazoantsika ny finoana, fa ny zavadehibe aminy dia ny hoe mino Azy tanteraka isika. Ka dia narahin’i Jesoa sy notoaviny ny fanirian’i Md Tomà liam-pamantarana. Marina fa sambatra, ary tsara kokoa raha tsy mitady famantarana isika, fa avy hatrany dia mino izay ambarany. Fa rehefa tena tsy vitantsika moa, fa misy ny fisalasalàna, dia angataho am-panetrentena izay famantarana tiantsika ho azo. Ny tsy mety fotsiny dia ny mitady famantarana tafahoatra.

Ho an’ny mpino, dia ampy azy ny mahita famantarana iray. Izay malain-kino kosa, dia mitaky sy mitady famantarana amin’ny zavatra rehetra sy isaky ny mihetsika.

Famintinana: Ny Fanahy Masina no mampiombona sy manome fiadanana ho antsika mba hahafantarantsika ny sitrak’i Jesoa, sy handraisantsika ary hiainantsika tsara ny fahasoavana rehetra avy amin’ny fitsanganan-ko velona. Izy no mandavorary ny fiombonantsika rehefa samy mifamela tanteraka isika samy isika, ka mijoro tsara amin’ny finoana mafy orina, mandresy ny tahotra sy izay fitsapana mbola ho avy rehetra.

Ho tanteraka amintsika anie izany! Amen.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post161

VATO FANAFINTOHINANA...

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:28:57

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

- Vato fanafintohinana…..

Isan’ny manahirana amin’ny Evanjely ity teny eto ity: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.”

Satria voalazan’ny fampianarana manko fa avy amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina no ahazoana (Eveka, pretra) io fahefana mamela heloka io. Sarotra anefa ny hiteny hoe avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa ny fahefana mitàna sy tsy mamela heloka. Sanatria, sanatria.... Tsy natao hitanana heloka n’inon’inona ny fandraisana ny Fanahy Masina, tsy sitraky ny Fanahy Masina, ary tsy sitrak’Andriamanitra velively ny hampiasantsika ny anarany sy ny fahasoavany hitànana ny heloky ny hafa, tsy sitrany....fa satriny aza hamela sy hanadio ny helotsika, na dia mangatrakatraka sy mena toy ny jaky aza,.....

Ny fampianarana rehetra nataon’i Jesoa ihany koa dia manohitra izany tsy famelàna ny hadisoan’ny hafa sy ny heloka izany: asainy hamela hatramin’ny im-pitopolo fito isika, asainy hamela eny hatramin’ny fahavalo aza. Alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra rahateo anio, ary io famindram-po io dia midika hoe famelàna ny fahotana rehetra.

Marina fa misy ilay hoe fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina, “fahotana tsy hahazo famelàna mihitsy”. Tsy hahazo famelàna mihitsy hoy ny mpandinika satria ilay miteny ratsy dia tsy mino fotsiny izao fa afaka mamela izany Andriamanitra. Ka rehefa tsy mino isika hoe ho voavela, na dia fahotana madinika indrindra aza dia tsy hahazo famelàna mihitsy. Fa raha mbola mino ny famindram-pon’Andriamanitra ihany koa ny olona dia hahazo famelàna raha mietry tena sy manenina am-po tokoa amin’ny fahotany, fa tsy miziriziry sy mirehareha manohitra an’Andriamanitra... dia hahazo famelàna hatrany hatrany.

Ka ity teny ity àry dia natao ho fandrika, natao ho vato fanafintohinana ho an’izay liam-pahefana tafahoatra. Fa isika kosa izay mino an’i Kristy, dia mino fa nahafoy ny ainy sy efa nandresy ny fahafatesana Izy hamela ny fahotantsika rehetra, ary tsy sitrany izany hitàna fahotana izany, fa ny hanafaka antsika amin’ny ratsy rehetra aza no tiany: “Rainay any an-danitra, .... Aza avela ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen”.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post160

NY FANAHY MASINA SY NY FAMELANKELOKA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:25:54

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

― Ny Konfesy sy ny fifamelan-keloka.

“Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin'izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.

Ankoatr’ireo antony ilàna ny fiadanana voalaza eo ambony, dia mbola ilaina dia ilaina tokoa ny fiadanana amin’ny famelankeloka.

Matetika moa raha mamaky an’ity andinin’Evanjely ity, dia mibahana ao an-tsaina ny fahefan’ny Eveka sy ny Pretra hamela heloka. Tsy horesahina intsony io, tsy misy mahadiso an’izany, satria efa mazava. Fa ny tsy voalaza matetika kosa dia ny hoe isika rehetra koa efa samy nandray ny Fanahy Masina, ka tokony hampiasa izany fahasoavana izany amin’ny fifamelan-keloka ataontsika amintsika samy isika.

Tsy mahasolo velively ny konfesy izany fifamelankeloka amintsika samy olombelona izany, nefa koa azo ambara fa ny Konfesy ihany koa tsy mahasolo velively io fifamelankeloka takiana amintsika samy isika io. Indray andro, raha nanontany i Md Piera, hoe hatramin’ny impiry no tokony hamela ny rahalahy raha tonga mifona izy, dia novalian’i Jesoa hoe: “Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny im-pito, fa hatramin’ny impitopolo fito” (Mt 18, 22).

Mampisalasala ihany manko raha hoe nanota “maharary” tamin’ny namany ny olona iray, nefa tsy mangata-pamelana, tsy manao azafady amin’io akory, fa tonga dia lasa mikonfesy any amin’ny Pretra na ny Eveka… Mazava loatra fa afaka ny fahotany, nefa koa samy miaiky isika fa misy zavatra mandringa ao, misy zavatra tsy ampy ao amin’izany Konfesy izany, raha tsy mamela azy ilay namany, satria narary sy naratra loatra ny fony….

Tsaroana eto ny tenin’i Jesoa hoe “Raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, (…) dia mandehàna aloha mihavana amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.” (Mt 5, 23)

Hazava kokoa amintsika rahateo ny tian’i Jesoa ambara, raha tsaroantsika fa rehefa manatitra fanatitra na manao sorona, ny jody, dia sady misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fahasoavana nomeny no mangata-pamelàna ihany koa tamin’izay tsy mety vita rehetra. Ka voalaza mazava eto hoe: mandehana aloha mihavana izany hoe mandehana aloha mangata-pamelana, miala tsiny aminy farafaharatsiny, … Tsy voalaza eto aloha hoe na manaiky ve izy na tsia, …. Fa ny zava-dehibe dia ny fietretena nandeha nangata-pamelana sy nifona tamin’izay olona nahadiso.

― Ny Fanahy Masina manampy antsika amin’ny famelankeloka.

Sarotra angamba hoy isika izany hanana fanetrentena hamela ny fahotana nanakarary fo antsika izany, toy ny mahasarotra ihany koa ny handeha hifona hangataka famelàna amin’izay olona nahadiso antsika, indrindra ka hoe fahotana mahafaty no vitantsika. Eo indrindra anefa no ilàna ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Izy no hanilo sy hanova sy hanadio ny fontsika mba hiainantsika marina ny famelankeloka avy amin’ny Paka.

Efa resin’i Jesoa rahateo ny fahotana rehetra tamin’ny Fitsanganan-ko velona, ka tsy isika indray no hiseho ho volo manoha randrana amin’izany famelankeloka izany. Sady amin’ity alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra ity, dia tokony haka tahaka Azy be famindram-po sy mamela heloka ihany koa isika zanany rehetra.

Koa etsy an-daniny, raha sarotra aminao ny mamela ny hafa noho ny ratsy tafahoatra nataony taminao, dia antsoy ny Fanahy Masina, ary etsy an-kilany, raha tsy vitanao ny mietry tena mangataka famelana amin’ny namanao, dia antsoy hatrany ny Fanahy Masina fa izy no manome antsika sy hampianatra antsika ny zavatra rehetra.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post159

NY FIADANANA ENTIN'I JESOA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:20:28

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

― Tonga “eo anivontsika” i Jesoa rehefa “mihidy ny varavarana”.

Androtr'izay ihany, izany hoe harivan'ilay andro voalohan'ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran'ny trano nivorian'ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody”.

Mba diniho kely hoe inona no ataontsika rehefa misy fahoriana na zavatra mampatahotra antsika? Moa manao toy ireto mpianatra, miara-mivavaka, manidy trano, manidy ny varavaran’ny fontsika ve isika, ka miantso an’i Jesoa, sa lasa mitotototo atsy sy aroa, mitady vonjy any an-kafa?

Miseho amintsika sy mamonjy antsika tokoa i Jesoa amin’ny zavatra hafa, fa ny tena azo antoka fa ahitantsika Azy, dia ao amin’ny fiombonana lavorary ihany. Tonga eo anivontsika i Jesoa, tonga ao am-pontsika, rehefa mirindrina ny varavarana, ka maharitra mivavaka ao isika. Mba andramo àry izany fa mety ho izay ny anjaranao, ary zarao amin’ny hafa rehefa nahitanao fahasoavana.

― Mitondra fiadanana marina ao am-pontsika i Jesoa.

Dia tonga Jeso ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Marihina kely, fa ao amin’ny Baiboly, ny voambolana hoe “afovoany” na hoe eo “anivo” na hoe “ao anaty”, dia azo adika ihany koa hoe “ao am-po”. Toy izany ohatra rehefa miteny i Jesoa hoe: “Tsy manetriketrika fiavy ny fanjakan’ny lanitra, fa indro eo anivonareo izy”, izany hoe “ao am-ponareo” (Lk 17, 21).

Ka raha tonga àry i Jesoa, mijoro eo afoavoany, sady mirindrina ny varavarana, dia ao am-pontsika avokoa izany rehetra izany no mitranga. Ao rahateo i Jesoa no manome ny fiadanana: ny tena fiadanam-po tanteraka. Ao ihany koa i Jesoa no mitsoka sy mampidina ny Fanahy Masina. Izany rahateo no mahatonga ny hoe ny Fanahy Masina izay monina ao anatinareo (mitoetra ao am-pontsika).

Io rahateo ilay fampianarana tamin'ny karemy hoe rehefa mivavaka ianao, dia midira ao an'efitranonao ary hidio ny varavarana (ao am-ponao), ka ny Ray izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao.

― Ireo antony ilàna ny tena fiadanana marina avy amin’i Jesoa.

Dia tonga Jeso ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Mampandinika tokoa ny hoe: inona ny lanja sy ny antony ilàna ny fiadanana eo amin’ny fiainam-panahintsika, ka mahatonga an’i Jesoa hanisy tsindrim-peo sy hanasongadina io fiadanana io eto amin’ity Evanjely ity?

Tsara homarihina aloha, fa ny fiadanan’i Jesoa, tsy miankina velively amin’ny zavamanahirana ivelantsika. Tsy hoe nanafoana ny fanenjehan’ny Jody ny fiadanana nentin’i Jesoa, fa mampitony sy mankahery ny fontsika kosa hiatrika ny fanenjehana sy ny mafy rehetra hatramin’ny martiry aza.

Maro manko ny mihevitra, fa mba hananana fiadanam-po dia mila feno fiadanana sy tsy misy mpanelingelina ny fiaraha-monina na ny firenena sy ny tany tontolo.... Dia miady fo handringana sy handresy (farafaharatsiny handresy lahatra) ny ratsy fanahy…. Tsy izany velively anefa ny nataon’i Jesoa, fa navelany hamadika izay te-hamadika azy, navelany handositra ny sasany, navelany handà in-telo ny hafa, navelany, navelany daholo….

Tsarovy ihany koa fa fakam-panahy sy ny fitsapana, ny fanenjehana sy ny faharatsiana dia hisy foana, ary vao mainka hihamafy aza, fa izay mahay mandray ny fiadanan’i Jesoa kosa, hatoky mandrakariva hiatrika an’izany....

Ka ny antony ilàna ny fiadanana àry, arak’izay voasoratra eto, dia azo heverina, fa voalohany indrindra, ilaina ny fiadanana raha te-hanatanteraka ny irak’i Jesoa isika, iraka haka tahaka sy hanaraka Azy. Hoy indrindra ny Evanjely: “Dia hoy indray izy tamin'izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Raiko ahy no anirahako anareo koa.

Manarak’izany, dia mila ny fiadanana isika raha te-handray ny Fanahy Masina mba hahatontosana io iraka io araka ny sitra-pon’andriamanitra. Aorian’ny Paka tokoa, dia asaina isika rehetra tsy an-kanavaka handray ny Fanahy Masina. Mbola maka tahaka izay nataon’i Jesoa isika, amin’izany: notorontoronina noho ny herin’ny Fanahy Masina, feno ny Fanahy Masina tamin’ny batemy tao Jordany, nentin’ny Fanahy nankany an’efitra, ary niasa niaraka tamin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra mandrakariva,....sns.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post158

AO AMIN'NY FIOMBONANA LAVORARY NO MISEHO ANDRIAMANITRA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:15:50

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

― Ny antony ilàna ny fiombonana lavorary ao amin’ny Soratra Masina.

Mety hihevitra angamba isika, hoe tsy dia ilaina loatra izany fiainana ny fiombonana izany, fa rehefa samy maka ho azy ao amin’ny sakramenta sy amin’ny fanamasinan-tena dia ampy... Ny Soratra Masina anefa mampianatra mandrakariva antsika, fa ao amin’ny fiombonana lavorary ihany no tena ahitantsika sy ihaonantsika amin’i Jesoa nitsangan-ko velona.

I Maria Madelenina ohatra, rehefa irery, dia tsy nahalala avy hatrany hoe i Jesoa nitsangan-ko velona io, fa noheveriny ho mpiandry saha. Toy izany koa ireo roalahy nankany Emaosy (tafasaraka tamin’ireo 11 lahy), voasankana ny masony, tsy hahafantatra an’i Jesoa raha tsy teo am-pamakiana ny mofo, fihetsika izay nanehoan’i Jesoa ny fiombonana lavorary ho an’ny mpianany rehetra....

Amin’ny Evanjely anio indray ohatra, dia tsy niseho tamin’i Md Tomà, (nitokana tany i Jesoa), fa tamin’ny mpianatra tafavory miaina ny fiombonana mandrakariva... Singanina manokana angaha ny fisehoan’i Jesoa tamin’i Simòna Piera, izay tsy voatantara an-tsipiriany akory aza...

Hohitantsika ihany koa fa ireo fotoana manandanja (Andro Fiakarana na ny Fidinan’ny Fanahy Masina,...) dia mitranga mandrakariva ao anatin’ny fahalavorarian’ny Fiombonana amin’ireo mpino. Tena “mampite-hiteny” izany rehetra izany hoe: raha tiantsika hiseho, hitranga sy hiasa eo anivontsika i Jesoa na ny Fanahy Masina, dia iezaho holavorariana mandrakariva ny fiombonana sy ny firaisam-po tanteraka amintsika, fa ho avy tokoa Izy hanova sy hanavao ny fiainantsika, rehefa miray fo, miombom-panahy ary miray saina tanteraka isika. Mbola manana 40 andro indray àry isika hiomanana, hanatsarana sy handavorariana izany fiombonana izany...

― Tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra: ny fomba fijerintsika no mampahavesatra na manamaivana an’izany.

Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny”. (Vakiteny II)

Resahina kely ity fitandremana ny didim-piombonana lavorary ity satria matetika manahirana antsika, sady sarotra ho antsika ny manatanteraka azy. Mazava anefa ny tenin’Andriamanitra, fa tsy mavesatra ny didiny: “maivana sady mora entina ny jiogako” hoy i Jesoa (Mt 11, 30).

Diniho tokoa àry, fa ny mampahavesatra ny didin’Andriamanitra dia ny fomba fijerintsika mitanila, mijery fotsiny ny fahasahiranantsika manatanteraka ny didin’Andriamanitra fa tsy mba mijery ihany koa ny tombontsoa be lavitra azontsika amin’izany. Raha tiantsika ohatra ny hanatanteraka zavatra iray, eo amin’ny fiainana, dia ny tombontsoantsika avy amin’izany ihany no tokony hifantohantsika fa tsy izay mety ho fahasahiranana eo am-panatanterahana izany: “Tsy ny fositra no tsy ambolem-boavary” hoy ny Ntaolo.

Tsarovy fa isaky ny manatanteraka ny didin’Andriamanitra isika, isaky ny mamela ny hafa, isaky ny mandefitra sy miaritra, isaky ny mivavaka ho an’ny mpanao ratsy antsika, isaky ny mahafoy ho an’ny hafa, sns... dia manamaivana ny fo amam-panahintsika sy mampisondrotra azy ho amin’ny ambonimbony sy “akaikikaiky” kokoa an’Andriamanitra.

=> Ka inona àry no tena tiantsika ho azo: ny fisondrotan’ny fo amam-panahintsika (ny fahamasinantsika) miaraka amin’ny fahasoavana raisin’ny hafa (heverintsika ho fahavalo sy izay manao ratsy antsika) ve, sa ny misakana izany fahasoavan’ny hafa izany, sady manavesatra rahateo ny fo amam-panahintsika, mba samy ho “tavela” isika rehetra? Tadidio, fa ny lolom-po, ny hatezerana, ny lonilony, ny tsy famelana, ny fialonana sy izay mety ho fahotana rehetra ataontsika, dia manavesatra ny feon’ny fieritreretana sy ny fo amam-panahintsika.

Isaky ny tsy tia ny hafa tokoa isika, isaky ny tsy miraharaha, isaky ny mialona sy mankahala, dia misakana ihany koa ny fahasoavana tokony horaisintsika avy amin’Andriamanitra: ary marina mandrakariva izany amin’ny lafiny rehetra. Izany rahateo no maha-Andriamanitra be famindram-po sy manankarem-pahasoavana azy, izany rahateo angamba ny hoe “ny fihevitro tsy fihevitrareo...

Ho maivana amintsika àry ny didin’Andriamanitra raha ny fahasoavana miampy fahasoavana miavosa horaisintsika no ifantohantsika, fa tsy izay tombontsoa sy fahombiazana kely mandalo, azon’ny hafa “ratsy fanahy” amin’ny fahotana namelezany sy nahavoazany antsika...

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post157

Fahasoavana avy amin'ny Paka: ny fiombonana lavorary.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:08:50

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

Ny vokatry ny Paka dia ny fiombonam-po sy fiombonam-panahy.

Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra”. (Vakiteny I)

Eto am-piandohana, dia mampianatra antsika ny vakiteny voalohany, fa ny fiombonana tanteraka no fahasoavana voalohany raisina avy amin’ny Paka: fiombonam-po amam-panahy. Izay avy nankalaza ny andro sy ny herinandron’ny Paka, nefa tsy mahazo ny hevitr’izany sy tsy miaina fiombonana izany, dia toy ny tsy mino sy ny tsy mankalaza ny Paka ihany. Sady ambonin’izany, isika rahateo efa nomena havaloana be izao, handinihina sy hahazoana tsara ny hevi-dalina sy ny fahasoavana fonosin’ny Fitsanganan-ko velona. Izany no mahatonga ny hoe: ny vakiteny tamin’ny Herinandro Masina sy ny Paka ihany no averina vakiana mandritra ny havaloana fankalazana ny Paka.

Mila aseho sy iainana anefa izany fiombonana lavorary izany, fa tsy vitan’ny inoana ao an-tsaina sy ao am-po fotsiny. Ho an’ny mpino tamin’izany andro izany àry, dia ny fifampizaràna ny fananana ara-materialy no nanehoany an’izany. Ho antsika ankehitriny kosa mba inona? Mazava loatra fa tsy miova ny hevi-dehibe: fiombonana tanteraka, fa ny fomba fanehoana an’izany kosa no miova araka ny toerana sy ny fotoana sy ny zava-misy iainana.

=> Samia àry mikaroka izay fomba anehoany an’izany fiombonam-po amam-panahy izany. Ny Fiangonana ohatra, dia efa miezaka manolotra antsika safidy samihafa mba hahafahantsika miaina izany. Eo ny fidirana ho mpikatroka amin’ireo Fikambanana masina isan-karazany, eo ny fandraisana anjara amin’ireo herivelona ao amin’ny Fiangonana: komity sy vaomiera isan-tokony, ary eo ihany koa ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana ny “andro” sy rakitra samihafa (andron’ny Tanora, andron’ny fiantsoan’Andriamanitra, andron’ny marary hoditra,.... Rakitra ho an’ny tany masina, rakitra ho an’ny Papa, sns...).

Raha tsorina, dia tsy ampy velively ny mamonjy lamesa sy ny fotoam-pivavahana dia mody, miolonolona irery any, fa ilaina ny fiombonana aseho amin’ny endrika hafa. Mahagaga tokoa fa raha tokony ho fara-tampon’ny Fiombonana ny Fankalazàna ny Sorona Masina, dia lasa toa zary maivan-danja izany fiombonana izany ao amin’ny Sorona Masina, miohatra amin’ireo fotoana hafa....Matetika dia mahatsiaro “mifanakaiky am-po sy am-panahy” kokoa ny olona any amin’ny fotoana sy fihaonana hafa... Asa, ... samy maika hody ve ao amin’ny Lamesa?....

― Ny Fiombonana lavorary no “faratampony” ho antsika kristianina.

Izay rehetra mino fa i Jeso no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. (Vakiteny I)

Rehefa mandinika ny Soratra Masina tokoa, dia tsapantsika fa tena zava-dehibe ny fiombonana lavorary ho an’ny mpino. Androany ohatra, raha miresaka amintsika i Md Joany ao amin’ny vakiteny faharoa momba ny fitiavana an’Andriamanitra sy fitandremana ny didiny, na koa ny hoe mandresy ny ratsy sy ny fahotana, dia hohitantsika fa ny Fiombonana lavorary ihany no ao ambadik’izany rehetra izany.

Inona tokoa moa ny didy lehibe sy vaovao nomen’i Jesoa antsika, raha tsy ny fifankatiavana (fiombonam-po,...) ao amin’ny fifanompoana sy ny fahafoizana (service et sacrifice), toy izay nasehony tamin’ny Alakamisy Masina?

Ary inona ihany koa no fandresena izao tontolo izao sy ny ratsy rehetra raha tsy ny fiombonana lavorary amin’Andriamanitra sy ny namana? Ny fahotana tokoa no mampisaraka antsika amin’Andriamanitra sy ny namana, fa ny fitiavana sy ny finoana kosa, dia mampiombona antsika mandrakariva. Ka raha resin’i Jesoa ny fahafatesana, dia midika izany fa resy ihany koa izay fisarahana heverintsika olombelona ho mafy indrindra (ny fahafatesana), fa manjaka kosa ny fiombonana feno sy lavorary tanteraka eo amin’ny lanitra sy ny tany, eo amin’ny samy olombelona, fa indrindra eo amin’ny olombelona sy Andriamanitra: “Triatra hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao an-toerana masina indrindra, tao an-tempoly” (Mt 27, 51; Mk 15, 38; Lk 23, 45; He 6, 19). “Rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany aho hoy i Kristy, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona ahy” (Jn 12, 32).



  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post156

FAMINTINANA ALAHADY FAHA-5 KAREMY.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:22:06

ALAHADY KAREMY-5-11, TAONA B

FAMINTINANA.

- Tsy ny herintsika irery intsony no manome voninahitra an’Andriamanitra.

Raha fintinina àry izay voalaza rehetra izay, ka ampifanohizina ireto tenin’Andriamanitra ireto, dia izao no azo ambara.

Tapakevitra tanteraka Andriamanitra hanao Fanekempihavanana vaovao amintsika, ka any amin’ny lalina indrindra, any amin’ny “maharary” antsika, any amin’ny fontsika mihitsy no anoratany an’io fanekempihavanana vaovao io.

Tsy maintsy miainga avy ao am-po tokoa manko ny zavatra rehetra, raha tiana hahitam-pahombiazana.

Ary ny lalàna hosoratany ao am-pontsika, dia tsy inona fa ny lalàn’ny Fiantorahana tanteraka sy ny fanekena lavorary, n’inon’inona mitranga, hatramin’ny fahafatesana aza.

Ary ireo ihany no antoka ahavitantsika mahafoy sy manaiky ho faty, mba hamokatra bebe kokoa ho an’ny famonjena antsika sy hafa. Dia ireo ihany koa no antoka hahavitantsika mikatsaka sy manatanteraka mandrakariva ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fandresena ny ratsy rehetra afitsok'i satana ilay mpanapaka an'izao tontolo izao.

=> Hotanteraka amintsika anie izany rehetra izany. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina….

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post155

NY VONINAHITRA: MANDRESY (AN')ILAY RATSY SY NY FORONGONY.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:19:33

ALAHADY KAREMY-5-10, TAONA B

EVANJELY.

- Ny voninahitr’Andriamanitra dia ny mandresy ny ratsy.

“Ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.”

Tsy iza akory io mpanapaka an’izao tontolo izao io, fa ny devoly sy satàna. Ny fomba mahomby handresena azy tokoa dia tsy inona fa ny fikatsahana mandrakariva sy ambonin’ny zavatra rehetra ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Tadidintsika ny fakampanahy fahatelo nataon’ny demony tamin’i Jesoa tany an’efitra: nasehon’ny demony Azy ny voninahitr’izao tontolo izao sy ny fanjakany, ka hoy ilay io taminy hoe raha miankohoka amiko ianao, dia homeko anao izao rehetra izao.... Mazava sy hentitra ny valintenin’i Jesoa hoe: “Mialà ry Satàna, ny Tompo Andriamanitrao ihany no hotompoinao.

Tsy izany mangorona sy manangona lava ho an'ny tena izany àry no fahamasinana, fa ny manome sy mizarazara izay ananana, eny hatramin'ny aina aza....

=> Ny fikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra àry dia safidy tsy maintsy ataontsika ao amin’ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ny andavanandrom-piainana. Eny hatramin’ny antsipiriany indrindra. Satria tsy kely lalana ny ratsy, ka na dia izay asa miharihary fa tsara, toy ny fivavahana aza, rehefa tsy voatandrina dia lasa tsy fanomezamboninahitra an’Andriamanitra, fa lasa fitadiavana voninahi-tena, toy ilay farisianina nivavaka tao an-tempoly, ka sady misaotra an’Andriamanitra no nanaratsy ilay poblikana namany.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post154

NY TENA VONINAHITRA MARINA....

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:15:15

ALAHADY KAREMY-5-09, TAONA B

EVANJELY.

- Ny ora-(fotoana)n’ny fanomezamboninahitra, ny tena voninahitra marina.

Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. Raha misy manompo ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. …. Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao..... Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko voninahitra indray.”

Dia iaraha-mahita tokoa fa resaka fanomezamboninahitra no tohin’ny tantara. Ary tsy ny Ray, na i Jesoa ihany no voakasik’izay fanomezamboninahitra izany, fa ny mpino rehetra manaiky an’i Jesoa ihany koa: “Raha misy manompo (mihaino sy manaiky) ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.”

Ny fomba fanomezamboninahitra anefa no tsy araka izay mahazatra ny olona. Ho an’i Jesoa, ny hoe manome voninahitra dia tsy ny manangona (maka, mangorona, manao am-pihimanba) ho an’ny tena irery, fa ny manome sy mizara ary mahafoy ho an’ny hafa. Tsy hoe tia tena samy maka ho azy, fa mahafoy hatramin’ny aina: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.”

=> Aoka àry isika mba tsy hisy hitaraina intsony rehefa mba misy “occasion”- fijaliana na fitsapana atolotr’i Jesoa antsika eo amin’ny fiainana. Ny dikan’ireny manko dia ny mba hahafahantsika manome voninahitra an’Andriamanitra, no sady ahafahantsika ihany koa mitahiry ny voninahitra ho antsika, izay haseho miharihary amin’ny fotoana mahamety azy. Tena zavatra efa diso fantantsika izany. Na ireo mahery fo maty ho an’ny tanindrazana aza, eny fa na dia ireo mpiasampanjakana, nahafoy tena niasa tsara sy maharitra ho an’ny firenena, dia tolorana mari-boninahitra amin’ny fotoan’androny.... Mainka ve fa isika mahafoy ny zavatra rehetra ho an’i Jesoa....

  • Commentaires(1)//serasera.trinitera.com/#post153
Suivant »