Tatibolana

Tatibolana

Tatibolana

Hifaneraserana sy hitaterana ny vaovao maneran-tany mba hanamafisana ny firahalahiana sy hifanohanana amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly

Azonao atao manindry eto mba hanoratra ho anay raha te handray anjara amin'ny fanoratana na koa hanoro hevitra...

Fahasoavana avy amin'ny Paka: ny fiombonana lavorary.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:08:50

ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.

Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35

Salamo setriny sady fandinihana: 117

Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6

EVANJELY: Jn 20, 19-31

Ny vokatry ny Paka dia ny fiombonam-po sy fiombonam-panahy.

Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra”. (Vakiteny I)

Eto am-piandohana, dia mampianatra antsika ny vakiteny voalohany, fa ny fiombonana tanteraka no fahasoavana voalohany raisina avy amin’ny Paka: fiombonam-po amam-panahy. Izay avy nankalaza ny andro sy ny herinandron’ny Paka, nefa tsy mahazo ny hevitr’izany sy tsy miaina fiombonana izany, dia toy ny tsy mino sy ny tsy mankalaza ny Paka ihany. Sady ambonin’izany, isika rahateo efa nomena havaloana be izao, handinihina sy hahazoana tsara ny hevi-dalina sy ny fahasoavana fonosin’ny Fitsanganan-ko velona. Izany no mahatonga ny hoe: ny vakiteny tamin’ny Herinandro Masina sy ny Paka ihany no averina vakiana mandritra ny havaloana fankalazana ny Paka.

Mila aseho sy iainana anefa izany fiombonana lavorary izany, fa tsy vitan’ny inoana ao an-tsaina sy ao am-po fotsiny. Ho an’ny mpino tamin’izany andro izany àry, dia ny fifampizaràna ny fananana ara-materialy no nanehoany an’izany. Ho antsika ankehitriny kosa mba inona? Mazava loatra fa tsy miova ny hevi-dehibe: fiombonana tanteraka, fa ny fomba fanehoana an’izany kosa no miova araka ny toerana sy ny fotoana sy ny zava-misy iainana.

=> Samia àry mikaroka izay fomba anehoany an’izany fiombonam-po amam-panahy izany. Ny Fiangonana ohatra, dia efa miezaka manolotra antsika safidy samihafa mba hahafahantsika miaina izany. Eo ny fidirana ho mpikatroka amin’ireo Fikambanana masina isan-karazany, eo ny fandraisana anjara amin’ireo herivelona ao amin’ny Fiangonana: komity sy vaomiera isan-tokony, ary eo ihany koa ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana ny “andro” sy rakitra samihafa (andron’ny Tanora, andron’ny fiantsoan’Andriamanitra, andron’ny marary hoditra,.... Rakitra ho an’ny tany masina, rakitra ho an’ny Papa, sns...).

Raha tsorina, dia tsy ampy velively ny mamonjy lamesa sy ny fotoam-pivavahana dia mody, miolonolona irery any, fa ilaina ny fiombonana aseho amin’ny endrika hafa. Mahagaga tokoa fa raha tokony ho fara-tampon’ny Fiombonana ny Fankalazàna ny Sorona Masina, dia lasa toa zary maivan-danja izany fiombonana izany ao amin’ny Sorona Masina, miohatra amin’ireo fotoana hafa....Matetika dia mahatsiaro “mifanakaiky am-po sy am-panahy” kokoa ny olona any amin’ny fotoana sy fihaonana hafa... Asa, ... samy maika hody ve ao amin’ny Lamesa?....

― Ny Fiombonana lavorary no “faratampony” ho antsika kristianina.

Izay rehetra mino fa i Jeso no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. (Vakiteny I)

Rehefa mandinika ny Soratra Masina tokoa, dia tsapantsika fa tena zava-dehibe ny fiombonana lavorary ho an’ny mpino. Androany ohatra, raha miresaka amintsika i Md Joany ao amin’ny vakiteny faharoa momba ny fitiavana an’Andriamanitra sy fitandremana ny didiny, na koa ny hoe mandresy ny ratsy sy ny fahotana, dia hohitantsika fa ny Fiombonana lavorary ihany no ao ambadik’izany rehetra izany.

Inona tokoa moa ny didy lehibe sy vaovao nomen’i Jesoa antsika, raha tsy ny fifankatiavana (fiombonam-po,...) ao amin’ny fifanompoana sy ny fahafoizana (service et sacrifice), toy izay nasehony tamin’ny Alakamisy Masina?

Ary inona ihany koa no fandresena izao tontolo izao sy ny ratsy rehetra raha tsy ny fiombonana lavorary amin’Andriamanitra sy ny namana? Ny fahotana tokoa no mampisaraka antsika amin’Andriamanitra sy ny namana, fa ny fitiavana sy ny finoana kosa, dia mampiombona antsika mandrakariva. Ka raha resin’i Jesoa ny fahafatesana, dia midika izany fa resy ihany koa izay fisarahana heverintsika olombelona ho mafy indrindra (ny fahafatesana), fa manjaka kosa ny fiombonana feno sy lavorary tanteraka eo amin’ny lanitra sy ny tany, eo amin’ny samy olombelona, fa indrindra eo amin’ny olombelona sy Andriamanitra: “Triatra hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao an-toerana masina indrindra, tao an-tempoly” (Mt 27, 51; Mk 15, 38; Lk 23, 45; He 6, 19). “Rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany aho hoy i Kristy, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona ahy” (Jn 12, 32).



  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post156