Tatibolana

Tatibolana

Tatibolana

Hifaneraserana sy hitaterana ny vaovao maneran-tany mba hanamafisana ny firahalahiana sy hifanohanana amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly

Azonao atao manindry eto mba hanoratra ho anay raha te handray anjara amin'ny fanoratana na koa hanoro hevitra...

NY FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA....

TORITENYPosté par Hiandry sam., octobre 22, 2011 14:29:40

ALAHADY TSOTRA FAHA-30, TAONA A (tapany voalohany)

Vakiteny voalohany: Eks 22, 20-26

Salamo setriny sady fandinihana: Sal 17

Vakiteny faharoa: 1Ts 1, 5-10

Evanjely: Mt 22, 34-40 (http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/22:34-40)

—Mahay manaiky ny tsy hanan-kalahatra ve isika, mahay resy lahatra, mahay mangina,… ?

“Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jeso tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra”.

Mahafinaritra sady mampieritreritra tokoa ny zavamisy tantarain’ny Evanjely anio. Hoe rehefa henon’ny farisianina fa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana (mpisorona) sy ny Herodianina, dia nifamory hamandrika an’i Jesoa indray ny Farisianina. Ka atao ahoana moa fa izay ilay toetrantsika olombelona, manome vahana be loatra ny saina. Na dia mamitaka sy mahavery antsika aza ny saina indraindray satria tsy mety manaiky ho resy lahatra…

Zavatra manahirana sy mbola mampijaly ny maro amintsika tokoa izany hoe manaiky sy resy lahatra izany. Indrindra moa raha hoe fahavalo no iavian’izany : ho an’ny farisianina sy ny sadoseanina manko dia fahavalo i Jesoa. Fampieritreretana ho antsika àry ity Evanjely anio ity : mahay manaiky sy mangina ve isika rehefa misy marina ambaran’andriamanitra amintsika, na dia manahirana sy mampijaly antsika aza ? Io aloha no tena zava-dehibe voalohany indrindra. Fa raha mbola mety hotoroana ny tsaratsara kokoa isika, dia azo tohizina amin’ny hoe : mahay manaiky sy resy lahatra na dia olombelona toa antsika aza, na dia olona heverintsika ho « ambany » sy « latsaka » (satria tsy nandia fianarana, na tsy manana traik’efa, na tanora, …) noho isika aza, eny fa na dia fahavalontsika aza…?

Iza no tianao hiantsoana an’i Jesoa ?

Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna?”

Ity mpampiana-dalàna ity, na dia efa mpahay lalàna aza, dia mbola niantso an’i Jesoa hoe : « Mpampianatra ! ». Mialohan’ny hiresahana amin’ny olona iray tokoa dia mila ho fantantsika hoe inona no fifandraisana misy aminy sy amintsika. Zanaka ve io sa ankizy hafa : ny fomba firesaka amin’ny zanaka manko tsy voatery hahomby amin’ny ankizy hafa. Vady ve sa olona hafa, olona ambony manankaja ve sa namana akaiky azo ivazivaziana, olona mahantra sa olona malahelo sa mora tezitra,… sns.

Hita anefa fa mba ho fihatsarambelatsihy ihany no nanaovan’ity mpanora-dalàna ity an’izany. Mody hoe mpampianatra hono, nefa izy tsy vonona akory ny hihaino ny fampianaran’i Jesoa, fa vao maika mitady ny hamandrika Azy aza. Isika kosa tsy mihatsaravelatsihy fa miezaka miaina am-pinoana sy ampitiavana, amim-pahatsorana sy amim-panetrentena izay anarana sy toetra tiantsika hiantsoana sy hifandraisana amin’i Jesoa. Koa iza àry i Jesoa ho antsika, iza no tiantsika hiantsoana azy, fifandraisana manao ahoana no tiantsika hiainana miaraka aminy? Raha antsointsika hoe mpampianatra izy, dia mivonona hihaino azy isika. Fa misy koa anefa fifandraisana hafa araka ny ohatra nomen’ireo olomasina : azo atao hoe mpamonjy sy mpanavotra i Jesoa, azo atao koa hoe rahalahy na anadahy izy, azo atao zandrikely (Jesoa zazakely), azo atao vady (na olontiana) aza (ho an’ireo vehivavy virjiny) !!! Koa n’inon’inona fifandraisana tiantsika hatao amin’i Jesoa, tsy maninona daholo izany, fa ny tena ilaina dia hiainantsika arak’izany tokoa, amin’ny fo tokoa.

—Izay tena « maha-izy anao » no entina miresaka amin’i Jesoa.

« Ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy”

Toa zavatra hoe mazava loatra sy tsotra izany, nefa tena manandanja, ary indraindray koa anefa hadinontsika. Jereo ohatra ity manampahaizana manokana momba ny lalàna ity : « Mpampianatra » no niantsoany an’i Jesoa eto satria ny (mampianatra) momba ny lalàna no tena mahafatifaty sy manavanana azy. Dia isika koa raha te-hifandray amin’i Jesoa, izay zavatra tena tiantsika sy « mahafatifaty » antsika na manavanana antsika eo amino'ny fiainantsika andavan'andro, entina mamorona fifandraisana aminy. Isika rehetra, miaraka amin’ny Fanahy Masina no samy mandinika sy mikaroka ary mametraka izany fifandraisana amin’i Jesoa izany. Ao ireo mora tohina amin’ny ara-panahy : fitsaohana masina, fandalinana Soratra Masina, adidy aman’andraikitra ato amin’ny Fiangonana. Ao ireo miròna amin’ny fanaovana asa soa : mampianatra, mitsabo marary, manampy mahantra, mijaly, migadra, ankizy na be antitra, …sns.

Eny ao aza ireo tsy miditra mivantana amin’ny resaka fiangonana na fivavahana, fa dia mikatroka amin’ny sehatra samihafa eo anivon’ny fianakaviana (ray aman-dreny, zanaka, ….), ao amin’ny fiaraha-monina, firenena, sns… Fa dia izay mahaizy anao, ny toetranao, ny kilema sy ny fahasahirananao, sy ny asa aman-draharahanao andavanandro entina miresaka amin’i Jesoa : mpiasa, mpandraharaha, mpamboly, mpianatra, tsy an’asa, sns…

Marina fa tsy dia manisy olana loatra amin’ny vavaka ataontsika izay fifandraisana ananantsika amin’i Jesoa, nefa kosa iarahamanaiky fa nahasoa sy nanampy be dia be an’ireo olomasina izany. Diniho tsara fa ny olomasina rehetra dia samy nanana fifandraisana manokana tamin’i Jesoa avokoa. Ao ireo mifandray an’i Jesoa amin’ny alalan’ireo mahantra na mijaly na marary, ao ny mifandray aminy ao amin’ny Eokaristia, na ao amin’ny Fijaliany sy ny fahafatesany, sns… Koa mialohan’ny hivavahana sy hiresahana amin’i Jesoa àry, dia tsara kokoa ny mametraka mialoha io fifandraisana manokana io.

—Anontanio ny hevitr’i Jesoa ny amin’izay tena « zava-dehibe » indrindra eo amin’ny fiainanao.

“Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna?”

Manontany ny didy lehibe indrindra amin’ny lalàna ity, satria mpahay lalàna izy, ary mpandinika sy mpanao lalàna no asa aman-draharahany. Fa isika koa tokony hanontany an’i Jesoa izay tena zava-dehibe indrindra amin’ny asa aman-draharaha fanaontsika, hoe: “Ry Jesoa (Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy, sns.... izay iantsoantsika azy eo), inona no lehibe indrindra ho ahy, amin’ny maha-..... (mpiandraikitra, mpiasa, zanaka, ray aman-dreny, mpitarika na mpikambana amin’ny Fikambanana masina, na mpanao politika, sns....) ahy?

Ho hitantsika fa samy hahazo ny valiny sahaza sy mahafa-po azy avy isika rehetra arakaraky ny taona, ny toetra, ny toerana, ny andraikitra sns... misy antsika. Tokony ho fantantsika tokoa ny tena zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika, mba ho mora ho antsika ny mibanjina lalandava an’izany tanjona izany rehefa sendra misy ny fitsapàna sy ny fahasahiranana eo amin’ny fiainantsika. Samia àry anio samy manamarina sy manontany izay heveriny ho zava-dehibe eo amin’ny fiainany. Ary hamarino tsara hoe: izany zavadehibe izany ve, tena zavadehibe araka ny hevitr’i Jesoa tokoa, sa araka ny hevitsika sy izay takatry ny saintsika olombelona fotsiny?

—Ny fitiavana hatrany no lehibe indrindra.

Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany”.

Efa iarahantsika mahalala izany hoe ny fitiavana izany no lehibe indrindra! Fa ny resaka fampiharana izany eo amin’ny fiainantsika no zava-dehibe. Arakaraka ny taona, ny fahaizana, ny fahalalàna, ny andraikitra sy ny toetra, sy ny zavatra maro tsy voatanisa tokoa, dia asain’i Jesoa hitia an’Andriamanitra isika tsirairay avy. Marina fa samy manana ny fomba hanehoany an’izany fitiavana izany isika rehetra, fa misy kosa anefa ny zavatra iombonan’ny rehetra: manana ny toerany manokana ny fo ao amin’ny fitiavana.

Mariho tsara fa voalohany lazain’i Jesoa ny hoe amin’ny fonao rehetra, vao amin’ny sainao sy ny herinao rehetra. Izany hoe tsy izay ety ivelany hitamaso sy ataontsika amin’ny Fiangonana akory no inona (izay ataon’ny saina sy ny vitan’ny herim-batana), fa izay eritreritra sy vetsovetso mameno ny fo, asandrantsika tsy tapaka amin’Andriamanitra. Dia samy mandinitena isika hoe: ny fo ve no voalohany rehefa mitia sy miasa ho an’Andriamanitra isika sa ny ara-tsaina sy ny ara-nofo? Tena amin’ny fo tokoa ve no anaovantsika ny zavatra rehetra ho fitiavana an’Andriamanitra? Ny hoe tia amin’ny fo manontolo tokoa manko dia tsy misy ampahantoerana, na ampahany hafa ao am-pontsika ao ka misy zavatra hafa mifanohitra amin’ny fitiavana: na eritreritra io, na fahatsiarovana ratsy (lonilony, lolom-po, hatezerana, zavatra mandratra fo, sns...), na faniriana, na fitiavana tsy izy, na tahotra na tsy finoana, na hakiviana, sns... Fa hoe tiava amin’ny fo manontolo: izany hoe tokony ho fitiavana daholo ny fo manontolo sy ny ao am-po rehetra.

Mety ho sarotra tokoa izany manoloana ny fiainantsika andavanandro, nefa raha mino isika dia tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao, ary ny efa nomeny rahateo ny Fanahy Masina mpankahery sy mpanilo sy mpitari-dalana, ka izy no hampianatra antsika ny zavatra rehetra.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post143