Tatibolana

Tatibolana

Tatibolana

Hifaneraserana sy hitaterana ny vaovao maneran-tany mba hanamafisana ny firahalahiana sy hifanohanana amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly

Azonao atao manindry eto mba hanoratra ho anay raha te handray anjara amin'ny fanoratana na koa hanoro hevitra...

NY VONINAHITR'ANDRIAMANITRA ALOHAN'NY ZAVATRA REHETRA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:13:03

ALAHADY KAREMY-5-07, TAONA B

EVANJELY.

- Nitady an’i Jesoa ireo grika, mety ho inona no tena tanjony?

Ary nisy jentily (grika) sasany anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaïdan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’i Jeso izahay.”

* Amin’ny dikanteny malagasy moa dia lazaina tsotra hoe “jentily”, fa amin’ny dikanteny vahiny, dia ambara mazava hoe “grika” mponina avy any Grèce, ireo olona ireo. Ny antony anamarihana izany dia satria fantantsika fa ny grika fahizany dia nalaza tamin’ny fisainana sy ny filôzôfia isan-karazany. Ka azo heverina, fa raha naniry te-hahita an’i Jesoa izy ireo, dia efa nanana tao an-tsainy izay zavatra nandrasany tamin’izany fihaonana izany: mety ho voninahi-poana avy amin’ny fahendren’olombelona angamba!!?.

I Jesoa anefa toy ny mahazatra, dia efa nahalala sahady izay ao am-pon’ny olona, ka fantany izay nokendren’ireto grika ireto. Ka tonga dia ny “tena marina” momba Azy no navaliny azy ireo, hoe inona no tena voninahitra marina:Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.

=> Dia efa voalaza tany aloha ihany fa amafisina: hovalian’Andriamanitra tokoa isika, hohenoim-bavaka isika raha mikatsaka mandrakariva, sy mikaroka alohan’ny zavatra rehetra (eny mialoha ny zavatra izay mahatery sy mampijaly antsika aza) ny tena voninahitr’Andriamanitra.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post152

MAHAVONJY NY HAFA IHANY KOA NY FAHAMASINANTSIKA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:11:03

ALAHADY KAREMY-5-07, TAONA B

VAKITENY FAHAROA.

- Mahavonjy sy manavotra ny hafa ihany koa ny fiantorahana tanteraka (abandon) sy fanekena lavorary iainantsika.

Tian’i Jesoa haka tahaka sy hanara-dia azy isika amin’ny lalan’ny hazo fijaliana izorantsika isan’andro mandritra ity fiainana ity. Tadidiontsika tsara fa ity fiainantsika ity dia tsy natao ho antsika irery, fa velona isika ho an’i Kristy, maty isika ho azy koa. Noho izany, tokony ho ao an-tsaintsika isaky ny mijaly isika fa tsy ho antsika ihany izany fa ho an’ny hafa ihany koa. “Na dia Zanaka aza i Kristy dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, ary efa tonga amin’izay fanaperana izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky azy.”

=> Isika ihany koa asain’i Jesoa hiaina ao amin’ny fiantorahana sy ny fanekena lavorary araka ny fampianaran’ny Evanjely.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post151

FIANTORAHANA TANTERAKA-FANEKENA LAVORARY.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:09:24

ALAHADY KAREMY-5-06, TAONA B

VAKITENY FAHAROA.

- Manome ohatra ho antsika ny fiainan’i Jesoa: fiankinana-fiantorahana tanteraka (abandon) sy fanekena lavorary mba hohenoim-bavaka.

* I Jesoa dia nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be. Fa iza tamintsika tokoa moa no tsy efa nanandratra vavaka (fifonana, fisaorana, fitarainana,.....) nomban-dranomaso? Saingy indrisy matetika tsy nahazo valimbavaka isika.

Ny mampiavaka an’i Jesoa anefa, ny nahatonga azy ho nohenoimbavaka hatrany, dia noho Izy niankina-(niantoraka) tanteraka tamin’Andriamanitra tamin’izay nataony rehetra etsy an-daniny, ary koa noho Izy nanaiky tanteraka tamin’ny zavatra rehetra, hatramin’ny fijaliana sy ny fahafatesana aza, etsy an-kilany.

Fotoanan’ny Lalan’ny Hazo Fijaliana izao, fa inona tokoa moa izany, fa tsy ny famintinana ny fiankinana-fiantorahana sy ny fanekena tanteraka nataon’i Jesoa? Dinihontsika tsara fa isaky ny fijanonana tsirairay dia misy fianarana - dingana vaovao hatrany momba ny fiantorahana tanteraka amin’Andriamanitra sy fanekena atolotr’i Jesoa amintsika.

Ka amin’ny farany, rehefa tapitra nafoy sy nekena daholo ny zavatra rehetra, ao amin’ny fiantorahana farany (abandon final) dia atolotr’i Jesoa an’Andriamanitra ny ainy/fanahiny: “Ray ô, eo am-pelatananao ny fanahiko...

Azo ambara aza, fa ny fiantorahana sy ny fanekena an’Andriamanitra dia zavatra iray ihany: rehefa manaiky tanteraka azy dia lasa miantoraka ho azy amin’Andriamanitra. Toy izany koa, rehefa miezaka miantoraka manontolo amin’Andriamanitra dia lasa manaiky Azy amin’ny zavatra rehetra.

=> Zavatra tsara sady lalina tokony hianarantsika tokoa ihany izany dingana fahafoizana sy fanekena miandalana izany. Ampy tsara hampihazakazaka antsika amin’ny lalan’ny fahamasinana izany.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post150

NY FAHALALANA NO TENA TANJON'NY LALANA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:07:28

ALAHADY KAREMY-5-05, TAONA B

VAKITENY VOALOHANY.

- Ny tena tanjon’ny lalàna: ny fahalalana an’Andriamanitra.

* Tsy hoe akory mba hahazoana ny fiainana mandrakizay any aoriana “lavitra” any fotsiny no tanjon’ny lalàna. Tsy hoe mba hitandrovana ny tena ao amin’ny fahamasinana fotsiny. Izay mihevitra toy izany dia lasa tia tena, samy maka ho azy ary mety hanambany sy hanao tsinontsinona ny hafa aza. Izay tsy mahatandrina ny lalàna dia mpanota ka lazaina fa voaozona sy ho very any amin’ny afobe… Dia ho amin’izany ve no nanomezan’Andriamanitra ny lalàna ho antsika, sanatria?

* Tsy ho enti-mitsara (ny tena na ny hafa) ihany koa, ka ilazàna fa mendrika ny tena ka hiavonavonana sy hiononana amin’izay tsara kely mba tratra. Tsy hoenti-manakivy tena ihany koa, ka ilazana fa mpanota tsy mendrika, mitarika mankany amin’ny famoizam-po....

* Tsy izany rehetra izany sy izay endrika hafa fampiasàna diso toerana (abus/falsification) no nanomezana antsika ny lalàna, fa ny mba hahalalàna an’Iaveh! “Fa hahalala ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe - teny marin’Iaveh.” Satria tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

=> Samia ary mikaroka sy mandinika, isaky ny didy tsirairay sy ny fampianaran’i Jesoa rehetra hoe inona no fahalalàna an’Andriamanitra ao amin’izany? Tsy ampy tokoa ny manatanteraka fotsiny izay lazain’i Jesoa.

Diniho tsara tokoa fa raha fantantsika bebe kokoa ny olona iray, dia ho mora kokoa ny manatanteraka izay lazainy sady ho lavorary kokoa na ny fahazoantsika izay lazainy na ny fanatanterahantsika an’izany.

Mba andramo raisina àry ny fampianaran’i Jesoa, ary aoka isika tsy hianona fotsiny amin'ny hoe inona no ambarany antsika, fa zahao ihany koa hoe inona no fahalalàna an’Andriamanitra na an’i Jesoa fonosin’izany !!!

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post149

NY FO NO ANTOKY NY FAHAMASINANA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:03:16

ALAHADY KAREMY-5-04, TAONA B

VAKITENY VOALOHANY.

- Ny fontsika, ny ao am-pontsika no antoky ny fahamasinana.

=> Mialohan’ny hirosoana amin’ny fandinihana manaraka àry dia diniho tsara aloha ny fontsika. Diniho hoe tena nosoratan’Andriamanitra ao marina ve ny lalàny? Raha mbola tsy dia azontsika antoka loatra, raha mbola tsy dia resy lahatra loatra isika amin’izany, dia fotoana izao fangatahana an’izany fahasoavana ho an’ny fontsika izany.

Mety hanampy antsika ny fizarana amintsika ny tantaran’ny olomasina trinitera iray: Md Marco Criado. Io olomasina io dia nangataka tamin’i Jesoa mba hatakalo ny fon’izy mirahalahy. Ka neken’i Jesoa izany fangatahana izany, ary voalaza aza fa misoratra eo amin’ny fon’i Md Marco (ny fon’i Jesoa nomeny azy, raha ny tena marina) ny anaran’i Jesoa….

=> Ifampizaràna izany mba hamporisihina antsika mba ho sahy hangataka amin’i Jesoa ny fahasoavana ho an’ny fontsika. Tokony hangatahintsika, azontsika angatahina daholo, ary sahìa mangataka fahasoavana ho an’ny fontsika, n’inon’inona, fa hoazontsika izany rehefa ny fahalalàna sy ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany no tanjontsika amin’izany.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post148

MANANA ANJARA LEHIBE NY FO.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:00:56

ALAHADY KAREMY-5-03, TAONA B

VAKITENY VOALOHANY.

- Ny anjara toerana lehibe an’ny fo amin’ity fanekena ity.

Manao ambaratonga miditra anatiny hatrany hatrany ny Fanekempihavanana nataon’Andriamanitra.

- Tamin’i Noe: nanao Fanekempihavanana maha-kasika ny tany, sy ny zava-boahary rehetra Andriamanitra: “Tsy hisy safo-drano hanimba ny tany sy ny voaary rehetra intsony...”

- Tamin’i Abrahama: Fanekempihavanana mahakasika ny trano sy ny tany ny fananana, ny Ray sy ny reny, sy ny havana aman-tsakaiza. Hitantsika fa mihakely eto ny voafaritry ny fanekena. Tany tontolo sy ny voaary rehetra ð tany niaviana sy ny fananana ary ny fianakaviana.

- Tamin’i Moizy: ny didy folo dia tsy inona fa Fanekempihavanana mahakasika ny olona tsirairay amin’izay: ny fihetsika tokony sy tsy tokony hataony, ny adidiny, sns.

- Androany amin’ity Fanekempihavanana vaovao ity dia mikendry manokana ny fontsika tsirairay avy Andriamanitra. “Hataoko ao anatiny(ao amin'ny atifò) ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony.”

=> Diniho àry, atolory sy sokafy mba hodiovina ny fontsika handray izany fanekena vaovao izany.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post147

TENA TAPAKEVITRA TOKOA ANDRIAMANITRA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry jeu., mars 29, 2012 23:56:04

ALAHADY KAREMY-5-02, TAONA B

VAKITENY VOALOHANY.

- Tapa-kevitra tanteraka Andriamanitra hanao Fanekempihavanana vaovao.

Androany àry ny vakiteny voalohany dia milaza amintsika fa tapakevitra ny hanao Fanekempihavanana vaovao Andriamanitra.

* Tsy toy ireo Fanekempihavanana taloha voalaza teo ireo, satria tamin’ireo dia nasaina niezaka sy niankina bebe kokoa tamin’ny herin’ny tenany ny olombelona, hany ka matetika dia tsy nahatàna fifanekena, nania sy nivadika hatrany ny olombelona.

Raha mandinika ny didy folo tokoa ohatra, dia nasaina niezaka ny olombelona: Tiava (Manajà) ny Tompo Andriamanitrao azy amin’ny fonao, amin’ny sainao ary amin’ny herinao rehetra. Manajà ny Ray aman-dreninao, Aza mamono olona,....Aza mangalatra, Aza .....

* Na ny fomba fiteniny aza dia ahitàna fa tapakevitra tanteraka Andriamanitra.: “Teny marin’Iaveh!” Fomba fiteny ao amin’ny Testamenta taloha io, fa tsy maintsy ho tanteraka izay lazain’Iaveh.

* Tsy ny olombelona irery intsony no miady fo sy mitolona mafy mba hanatanteraka ny Fanekempihavanana, fa Andriamanitra mihitsy no mandray anjara bebe kokoa sy mirotsaka an-tsehatra mivantana amin’ny fanatanterahana an’izany, miaraka amin’ny olombelona. Dinihontsika ny matoanteny ampiasaina eto: “Hanaovako fanekena vaovao..., Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony... tsy hotsarovako....”

=> Raha tapakevitra toy izany àry Andriamanitra, dia aoka mba hasehontsika Azy ihany koa fa vonona sy tapakevitra tanteraka isika handray sy hiaina io fanekempihavanana io.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post146

AMBARATONGAN'NY FANEKEMPIHAVANANA.

TORITENYPosté par Ra-Hiandry jeu., mars 29, 2012 23:50:03

ALAHADY KAREMY-5, TAONA B

EVANJELY: Jn 12, 20-33

LOHAHEVITRA: Mba ho voninahitr’Andriamanitra Ray sy Zanaka avokoa (Evanjely)

no tanjona, na ho an’ny Fanekempihavanana vaovao (Vakiteny I),

na ny fiantorahana (abandon) sy fanekena lavorary niainan’i Jesoa (Vakiteny II).

VAKITENY VOALOHANY: Jer 31, 31-34

- Resaka Fanekempihavanana no hevi-dehibe voizin’ity Karemy ity.

* Fampitsiahivina fotsiny ihany raha miteny ity hevidehiben’ny “Fanekempihavanana” ity. Satria samy efa mahalala isika fa isaky ny alahadin’ny karemy, isaky ny vakiteny voalohany, dia miresaka “Fanekempihavanana” hatrany.

Eo ny Fanekempihavanana tamin’i Noe: “Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho: tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony.” (Karemy alahady-1),

Teo ny Fanekempihavanana tamin’i Abrahama: “Efa nianiana tamin’ny tenako aho, hoy Iaveh, fa noho hianao nanao izany dia hanisy soa anao aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina.” (Karemy alahady-2),

Teo ny Fanekempihavanana tamin’i Moizy, tamin’ny alalan’ny Didy folo: “Izaho no Tompo Andriamanitrao,.... ho tia Ahy ianao, amin’ny fonao rehetra, amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny herinao rehetra. Ary ho tia ny namanao....”. (Karemy Alahady faha-3).

Teo ny tamin’ny alahady heriny: Tsy mivadika amin’ny Fanekempihavanana nataony Andriamanitra na dia mihodina aminy isaky ny mihetsika aza ny olony. Manasazy tokoa Izy (mandefa sesitany), fa indrindra indrindra tsy manadino ny mamindra fo, rehefa tonga ny fotoana tsara (Karemy Alahady-4).

=> Raha mandeha ambaratonga toy izany àry ny fomba anatonan’Andriamanitra antsika, aoka koa mba hisy ambaratonga toy izany, miditra lalina hatrany, ho tonga any anaty fontsika lalina any, ny ezaka ataontsika amin’ity Karemy ity.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post145

MANANDRANA: hoe mbola mety ve.

SeraseraPosté par Ra-Hiandry jeu., mars 29, 2012 09:52:42
Miarahaba antsika rehetra.
Tsy dia misy inona akory, fa manandrana mandefa serasera eto amin'ity sehatra ity, te-hanandrana raha mbola mahatafavoaka zavatra eto na tsia.
Efa elaela manko izay no tsy teto, satria taorian'ny "vacances" tany M/kara dia bloqué ny clé Usb-Internet nampiasaina teo aloha, ka ankehitriny efa mandeha ny connexion, ka antenaina fa hitohy tsara ny zavatra rehetra...
Mirary fahasoavana ho antsika rehetra.

  • Commentaires(1)//serasera.trinitera.com/#post144

NY FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA....

TORITENYPosté par Hiandry sam., octobre 22, 2011 14:29:40

ALAHADY TSOTRA FAHA-30, TAONA A (tapany voalohany)

Vakiteny voalohany: Eks 22, 20-26

Salamo setriny sady fandinihana: Sal 17

Vakiteny faharoa: 1Ts 1, 5-10

Evanjely: Mt 22, 34-40 (http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/22:34-40)

—Mahay manaiky ny tsy hanan-kalahatra ve isika, mahay resy lahatra, mahay mangina,… ?

“Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jeso tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra”.

Mahafinaritra sady mampieritreritra tokoa ny zavamisy tantarain’ny Evanjely anio. Hoe rehefa henon’ny farisianina fa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana (mpisorona) sy ny Herodianina, dia nifamory hamandrika an’i Jesoa indray ny Farisianina. Ka atao ahoana moa fa izay ilay toetrantsika olombelona, manome vahana be loatra ny saina. Na dia mamitaka sy mahavery antsika aza ny saina indraindray satria tsy mety manaiky ho resy lahatra…

Zavatra manahirana sy mbola mampijaly ny maro amintsika tokoa izany hoe manaiky sy resy lahatra izany. Indrindra moa raha hoe fahavalo no iavian’izany : ho an’ny farisianina sy ny sadoseanina manko dia fahavalo i Jesoa. Fampieritreretana ho antsika àry ity Evanjely anio ity : mahay manaiky sy mangina ve isika rehefa misy marina ambaran’andriamanitra amintsika, na dia manahirana sy mampijaly antsika aza ? Io aloha no tena zava-dehibe voalohany indrindra. Fa raha mbola mety hotoroana ny tsaratsara kokoa isika, dia azo tohizina amin’ny hoe : mahay manaiky sy resy lahatra na dia olombelona toa antsika aza, na dia olona heverintsika ho « ambany » sy « latsaka » (satria tsy nandia fianarana, na tsy manana traik’efa, na tanora, …) noho isika aza, eny fa na dia fahavalontsika aza…?

Iza no tianao hiantsoana an’i Jesoa ?

Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna?”

Ity mpampiana-dalàna ity, na dia efa mpahay lalàna aza, dia mbola niantso an’i Jesoa hoe : « Mpampianatra ! ». Mialohan’ny hiresahana amin’ny olona iray tokoa dia mila ho fantantsika hoe inona no fifandraisana misy aminy sy amintsika. Zanaka ve io sa ankizy hafa : ny fomba firesaka amin’ny zanaka manko tsy voatery hahomby amin’ny ankizy hafa. Vady ve sa olona hafa, olona ambony manankaja ve sa namana akaiky azo ivazivaziana, olona mahantra sa olona malahelo sa mora tezitra,… sns.

Hita anefa fa mba ho fihatsarambelatsihy ihany no nanaovan’ity mpanora-dalàna ity an’izany. Mody hoe mpampianatra hono, nefa izy tsy vonona akory ny hihaino ny fampianaran’i Jesoa, fa vao maika mitady ny hamandrika Azy aza. Isika kosa tsy mihatsaravelatsihy fa miezaka miaina am-pinoana sy ampitiavana, amim-pahatsorana sy amim-panetrentena izay anarana sy toetra tiantsika hiantsoana sy hifandraisana amin’i Jesoa. Koa iza àry i Jesoa ho antsika, iza no tiantsika hiantsoana azy, fifandraisana manao ahoana no tiantsika hiainana miaraka aminy? Raha antsointsika hoe mpampianatra izy, dia mivonona hihaino azy isika. Fa misy koa anefa fifandraisana hafa araka ny ohatra nomen’ireo olomasina : azo atao hoe mpamonjy sy mpanavotra i Jesoa, azo atao koa hoe rahalahy na anadahy izy, azo atao zandrikely (Jesoa zazakely), azo atao vady (na olontiana) aza (ho an’ireo vehivavy virjiny) !!! Koa n’inon’inona fifandraisana tiantsika hatao amin’i Jesoa, tsy maninona daholo izany, fa ny tena ilaina dia hiainantsika arak’izany tokoa, amin’ny fo tokoa.

—Izay tena « maha-izy anao » no entina miresaka amin’i Jesoa.

« Ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy”

Toa zavatra hoe mazava loatra sy tsotra izany, nefa tena manandanja, ary indraindray koa anefa hadinontsika. Jereo ohatra ity manampahaizana manokana momba ny lalàna ity : « Mpampianatra » no niantsoany an’i Jesoa eto satria ny (mampianatra) momba ny lalàna no tena mahafatifaty sy manavanana azy. Dia isika koa raha te-hifandray amin’i Jesoa, izay zavatra tena tiantsika sy « mahafatifaty » antsika na manavanana antsika eo amino'ny fiainantsika andavan'andro, entina mamorona fifandraisana aminy. Isika rehetra, miaraka amin’ny Fanahy Masina no samy mandinika sy mikaroka ary mametraka izany fifandraisana amin’i Jesoa izany. Ao ireo mora tohina amin’ny ara-panahy : fitsaohana masina, fandalinana Soratra Masina, adidy aman’andraikitra ato amin’ny Fiangonana. Ao ireo miròna amin’ny fanaovana asa soa : mampianatra, mitsabo marary, manampy mahantra, mijaly, migadra, ankizy na be antitra, …sns.

Eny ao aza ireo tsy miditra mivantana amin’ny resaka fiangonana na fivavahana, fa dia mikatroka amin’ny sehatra samihafa eo anivon’ny fianakaviana (ray aman-dreny, zanaka, ….), ao amin’ny fiaraha-monina, firenena, sns… Fa dia izay mahaizy anao, ny toetranao, ny kilema sy ny fahasahirananao, sy ny asa aman-draharahanao andavanandro entina miresaka amin’i Jesoa : mpiasa, mpandraharaha, mpamboly, mpianatra, tsy an’asa, sns…

Marina fa tsy dia manisy olana loatra amin’ny vavaka ataontsika izay fifandraisana ananantsika amin’i Jesoa, nefa kosa iarahamanaiky fa nahasoa sy nanampy be dia be an’ireo olomasina izany. Diniho tsara fa ny olomasina rehetra dia samy nanana fifandraisana manokana tamin’i Jesoa avokoa. Ao ireo mifandray an’i Jesoa amin’ny alalan’ireo mahantra na mijaly na marary, ao ny mifandray aminy ao amin’ny Eokaristia, na ao amin’ny Fijaliany sy ny fahafatesany, sns… Koa mialohan’ny hivavahana sy hiresahana amin’i Jesoa àry, dia tsara kokoa ny mametraka mialoha io fifandraisana manokana io.

—Anontanio ny hevitr’i Jesoa ny amin’izay tena « zava-dehibe » indrindra eo amin’ny fiainanao.

“Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna?”

Manontany ny didy lehibe indrindra amin’ny lalàna ity, satria mpahay lalàna izy, ary mpandinika sy mpanao lalàna no asa aman-draharahany. Fa isika koa tokony hanontany an’i Jesoa izay tena zava-dehibe indrindra amin’ny asa aman-draharaha fanaontsika, hoe: “Ry Jesoa (Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy, sns.... izay iantsoantsika azy eo), inona no lehibe indrindra ho ahy, amin’ny maha-..... (mpiandraikitra, mpiasa, zanaka, ray aman-dreny, mpitarika na mpikambana amin’ny Fikambanana masina, na mpanao politika, sns....) ahy?

Ho hitantsika fa samy hahazo ny valiny sahaza sy mahafa-po azy avy isika rehetra arakaraky ny taona, ny toetra, ny toerana, ny andraikitra sns... misy antsika. Tokony ho fantantsika tokoa ny tena zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika, mba ho mora ho antsika ny mibanjina lalandava an’izany tanjona izany rehefa sendra misy ny fitsapàna sy ny fahasahiranana eo amin’ny fiainantsika. Samia àry anio samy manamarina sy manontany izay heveriny ho zava-dehibe eo amin’ny fiainany. Ary hamarino tsara hoe: izany zavadehibe izany ve, tena zavadehibe araka ny hevitr’i Jesoa tokoa, sa araka ny hevitsika sy izay takatry ny saintsika olombelona fotsiny?

—Ny fitiavana hatrany no lehibe indrindra.

Ary hoy Jeso taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany”.

Efa iarahantsika mahalala izany hoe ny fitiavana izany no lehibe indrindra! Fa ny resaka fampiharana izany eo amin’ny fiainantsika no zava-dehibe. Arakaraka ny taona, ny fahaizana, ny fahalalàna, ny andraikitra sy ny toetra, sy ny zavatra maro tsy voatanisa tokoa, dia asain’i Jesoa hitia an’Andriamanitra isika tsirairay avy. Marina fa samy manana ny fomba hanehoany an’izany fitiavana izany isika rehetra, fa misy kosa anefa ny zavatra iombonan’ny rehetra: manana ny toerany manokana ny fo ao amin’ny fitiavana.

Mariho tsara fa voalohany lazain’i Jesoa ny hoe amin’ny fonao rehetra, vao amin’ny sainao sy ny herinao rehetra. Izany hoe tsy izay ety ivelany hitamaso sy ataontsika amin’ny Fiangonana akory no inona (izay ataon’ny saina sy ny vitan’ny herim-batana), fa izay eritreritra sy vetsovetso mameno ny fo, asandrantsika tsy tapaka amin’Andriamanitra. Dia samy mandinitena isika hoe: ny fo ve no voalohany rehefa mitia sy miasa ho an’Andriamanitra isika sa ny ara-tsaina sy ny ara-nofo? Tena amin’ny fo tokoa ve no anaovantsika ny zavatra rehetra ho fitiavana an’Andriamanitra? Ny hoe tia amin’ny fo manontolo tokoa manko dia tsy misy ampahantoerana, na ampahany hafa ao am-pontsika ao ka misy zavatra hafa mifanohitra amin’ny fitiavana: na eritreritra io, na fahatsiarovana ratsy (lonilony, lolom-po, hatezerana, zavatra mandratra fo, sns...), na faniriana, na fitiavana tsy izy, na tahotra na tsy finoana, na hakiviana, sns... Fa hoe tiava amin’ny fo manontolo: izany hoe tokony ho fitiavana daholo ny fo manontolo sy ny ao am-po rehetra.

Mety ho sarotra tokoa izany manoloana ny fiainantsika andavanandro, nefa raha mino isika dia tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao, ary ny efa nomeny rahateo ny Fanahy Masina mpankahery sy mpanilo sy mpitari-dalana, ka izy no hampianatra antsika ny zavatra rehetra.

  • Commentaires(0)//serasera.trinitera.com/#post143
« PrécédentSuivant »