TORITENYPosté par Ra-Hiandry jeu., novembre 07, 2013 23:30:27Ho an'i Teandalina.
Miarahaba anao, ary mirary ny soa sy ny tsara rehetra! Enga anie ny anjely sy
ny Arkanjely hitondra hazavana aminao, sy hitondra anao ho amin'ny hazavàna
mamirapiratra kokoa hatrany!!!
Miezaka ny hamaly sy hanome taridalana anao arak'izay mba azoko aho.
Ny momba ny fanontanianao, dia araka ny Baiboly hatrany, no amaliantsika azy:
satria io moa no fototra iorenan'ny finoantsika.
1°- Voalohany indrindra aloha, ny Baiboly, tsy
manavaka hoe ARKANJELY na ANJELY: fa na ao amin'ny Testamenta Taloha, na ny
Testamenta Vaovao, dia "ANJELY" daholo no ilazàna azy rehetra ireo.
- Marina fa ao amin-ny Baiboly misy resaka fanahy sy zavamanan-aina hafa. Oh i
Md Paoly miresaka "ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery
rehetra." (1 Kor 15, 24) Fa sarotra ny milaza hoe ny anjely na ny
arkanjely ihany no eritreretin'i Md Paoly amin'ireo.
Asa, mety misy koa aza “catégorie” ambony-mihoatra
ny arkanjely, na ambany-latsaka noho ny anjely, fa tsy fantantsika.
- Toy izany koa, " ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny
fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina (Efez
1, 21, Kol 2,10).
Dia diniho tsara ny hoe: “tsy amin'izao fiainana izao ihany
[=eto an-tany], fa amin'ny fiainana ho avy koa [=any an-danitra sy any
an-koatra any: satria mandalo ny lanitra sy ny tany],.." Ny
arkanjely ve no lazainy amin'ireo? Sa misy "zavamanan'aina" hafa,
manampahefana sy fiandrianana eto (an-tany ?!?), ankoatran'ireo andriana sy
mpanjaka amintsika olombelona?! Samia mandalina isika rehetra....
- Ny azo lazaina aloha, dia tsy miresaka ny eto an-tany intsony i Md Paoly,
satria i Kristy efa nitsangan-ko velona, sy efa any an-kavanan'Andriamanitra
ny resaka eto (Efez 1, 20): ka ireo izany azo eritreretina tsara hoe "zavamanam-panahy"
any an-danitra. Anjely ve sa Arkanjely?!!!...
- Toy izany koa hoe ny asa niandraiketan'izy ireo no anavahana hoe: anjely na
Arkanjely izy ireo. Ireo mitondra hafatra manokana, na anankinana andraikitra
manokana-lehibe dia antsoina hoe “Arkanjely”: Rafaely (Tobia 3 ss), Gabriely (Dan
8, 16; 9, 21; Lk 1, 19.26), Misely (Dan 10; Joda 1,9; Apok 12, 7). Ao koa ireo anjely fito mijoro
eo anatrehan’Andriamanitra, mpitsoka trompetra amin’ny farandro ().
2°- NY
FAMPIANARAN'NY OLOMASINA SY NY "TRADITION" ary ny APOCRYPHE (ireo lahatsoratra tsy
tafiditra ao amin'ny Baiboly ), no miresaka hoe iza sy iza avy, ary firy
izy ireo.
- Singanina manokana eto ny Bokin’i Enòka (I
Enaoka: jereo Jen 5, 24): araka ny boky nosoratany, dia fito ny Arkanjely, araka ny filaharany: Uriel, Raphael, Raguel, Michel,
Sariel, Gabriel ary Phanouel. Voalaza fa mitoetra
manodidina an’Andriamanitra, amin’ny vazantany efatra izy ireo.
Ka arak’ireo fanadihadiana tsotsotra eo ambony
ireo dia sarotra ny milaza hoe iza sy iza avy izy ireo, na firy izy ireo.
Avy eo indray dia ireo ihany ve: fito, satria
ireo no fantantsika sy “mifanerasera” amintsika ary zakan’ny saintsika!!?
Satria tsy hoe izay takatry ny sain'olombelona ihany no misy…
Fivorian’ny anjely alinalina ny any an-danitra
(Heb 12, 22): anjely daholo ve ireo sa firy ny Arkanjely…
MARIHINA ihany koa fa betsaka no miresaka
anjely sy Arkanjely amin’izao fotoana izao, na ny vahiny aza…
Ny mampalaelo dia ny fomba fandraisan’ny olona
sasany azy ireo: noho ny fizahozahoana tafahoatra ao amin-draolombelona dia zary
lasa toy ny “mpanompo-mpanampy” fotsiny izy ireo, …
Ny olona sasany aza sahy miteny mihitsy hoe
mba hanompo ny olombelona (fotsiny) no naharian’Andriamanitra ny anjely (sy ny
arkanjely)….
Ny tena tsara raha tena mino isika, dia ny
miantso sy miresaka mivantana amin’izy ireo. Tena marina tokoa manko izay
voalaza hoe: ny voasoratra ao amin’ny Baiboly dia ampy mba hinoantsika, fa tsy
hoe akory hoe izay tsy voasoratra ao dia tsy misy.
Mirary soa ho anao.
TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:33:30ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.
Vakiteny voalohany: Asa 4,
32-35
Salamo setriny sady
fandinihana: 117
Vakiteny faharoa: I Jn 5,
1-6
EVANJELY: Jn 20, 19-31
― Ny finoana sy ny fitadiavana famantarana.
“Fa
hoy izy tamin'ireo: Raha tsy hitako ao amin'ny tànany ny loaky ny fantsika ka
atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin'ny
lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho.”
Na eo amin’ny fiainana andavanandro na amin’ny
fiainana ara-panahy, dia tsy i Md Tomà ihany, fa ny olombelona rehetra, dia
samy manana io faniriana hitady famantarana io avokoa. Tsy misy amintsika mino
avy hatrany izay zavatra ambara azy na henony, fa tsy maintsy “mitady
famantarana” aloha, manamarina amin’izay efa hitany na henony, manamarina raha
mitombona sy lojika izany na tsia....
Koa tsy hadisoana velively akory ny
mitady famantarana amin’i Jesoa raha misy fisalasalàna, fa azontsika atao tsara
ny mangataka am-panetrentena, ny famantarana amin’i Jesoa hoe: asehoy raha tena
izany no sitrakao!
Izany rahateo no nataon’i Jesoa eto: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Nony efa
nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo
ny tànany sy ny lanivoany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.”
Nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany: izany hoe nanehoany famantarana ireo mpianatra, izay mety ho nisalasala sy nieritreritra hoe inona no famantarana fa tena i Jesoa ity, ka faly izy ireo.
Ka inona àry no mahatonga an’i Md Tomà
hataon’i Jesoa hoe: “Aza malain-kino?”. Tsotra ny antony: satria ny an’i Md
Tomà dia tafahoatra loatra ny fitadiavana famantarana. Ny an’ny mpianatra ampy
ny mahita hoe: misy fery sy loaka ny lanivoa sy ny tanana, na ny tongotr’i Jesoa.
Ny an’i Tomà mbola ampiany hoe (na hitako aza ireo dia mbola mila) hataoko ao
sy atehiko eo ny tanako (sao angamba fanova-maso fotsiny izany sanatria?). Ary
angamba aza, raha mbola nisy famantarana na zavatra hafa mbola azo porofoina, dia
mety ho mbola niampy ireo.
Fa tsy mampaninona an’i Jesoa anefa
izay fomba hinoantsika sy hahazoantsika ny finoana, fa ny zavadehibe aminy dia
ny hoe mino Azy tanteraka isika. Ka dia narahin’i Jesoa sy notoaviny ny
fanirian’i Md Tomà liam-pamantarana. Marina fa sambatra, ary tsara kokoa raha
tsy mitady famantarana isika, fa avy hatrany dia mino izay ambarany. Fa rehefa
tena tsy vitantsika moa, fa misy ny fisalasalàna, dia angataho am-panetrentena
izay famantarana tiantsika ho azo. Ny tsy mety fotsiny dia ny mitady
famantarana tafahoatra.
Ho an’ny mpino, dia ampy azy ny mahita famantarana iray.
Izay malain-kino kosa, dia mitaky sy mitady famantarana amin’ny zavatra rehetra
sy isaky ny mihetsika.
―
Famintinana: Ny Fanahy Masina no
mampiombona sy manome fiadanana ho antsika mba hahafantarantsika ny sitrak’i Jesoa,
sy handraisantsika ary hiainantsika tsara ny fahasoavana rehetra avy amin’ny
fitsanganan-ko velona. Izy no mandavorary ny fiombonantsika rehefa samy
mifamela tanteraka isika samy isika, ka mijoro tsara amin’ny finoana mafy
orina, mandresy ny tahotra sy izay fitsapana mbola ho avy rehetra.
Ho tanteraka amintsika anie izany! Amen.
TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:28:57ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.
Vakiteny voalohany: Asa 4,
32-35
Salamo setriny sady
fandinihana: 117
Vakiteny faharoa: I Jn 5,
1-6
EVANJELY: Jn 20, 19-31
- Vato
fanafintohinana…..
Isan’ny
manahirana amin’ny Evanjely ity teny eto ity: “Raiso
ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay
hotananareo dia ho voatana.”
Satria
voalazan’ny fampianarana manko fa avy amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina no
ahazoana (Eveka, pretra) io fahefana mamela heloka io. Sarotra anefa ny hiteny
hoe avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa ny fahefana mitàna sy tsy mamela
heloka. Sanatria, sanatria.... Tsy natao hitanana heloka n’inon’inona ny
fandraisana ny Fanahy Masina, tsy sitraky ny Fanahy Masina, ary tsy
sitrak’Andriamanitra velively ny hampiasantsika ny anarany sy ny fahasoavany hitànana
ny heloky ny hafa, tsy sitrany....fa satriny aza hamela sy hanadio ny
helotsika, na dia mangatrakatraka sy mena toy ny jaky aza,.....
Ny fampianarana rehetra
nataon’i Jesoa ihany koa dia manohitra izany tsy famelàna ny hadisoan’ny hafa
sy ny heloka izany: asainy hamela hatramin’ny im-pitopolo fito isika, asainy
hamela eny hatramin’ny fahavalo aza. Alahadin’ny famindram-pon’Andriamanitra rahateo
anio, ary io famindram-po io dia midika hoe famelàna ny fahotana rehetra.
Marina fa misy
ilay hoe fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina, “fahotana tsy hahazo famelàna mihitsy”.
Tsy hahazo famelàna mihitsy hoy ny mpandinika satria ilay miteny ratsy dia tsy
mino fotsiny izao fa afaka mamela izany Andriamanitra. Ka rehefa tsy mino isika
hoe ho voavela, na dia fahotana madinika indrindra aza dia tsy hahazo famelàna
mihitsy. Fa raha mbola mino ny famindram-pon’Andriamanitra ihany koa ny olona
dia hahazo famelàna raha mietry tena sy manenina am-po tokoa amin’ny fahotany,
fa tsy miziriziry sy mirehareha manohitra an’Andriamanitra... dia hahazo
famelàna hatrany hatrany.
Ka ity teny ity
àry dia natao ho fandrika, natao ho vato fanafintohinana ho an’izay
liam-pahefana tafahoatra. Fa isika kosa izay mino an’i Kristy, dia mino fa nahafoy
ny ainy sy efa nandresy ny fahafatesana Izy hamela ny fahotantsika rehetra, ary
tsy sitrany izany hitàna fahotana izany, fa ny hanafaka antsika amin’ny ratsy
rehetra aza no tiany: “Rainay any
an-danitra, .... Aza avela ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay
amin’ny ratsy. Amen”.
TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:25:54
ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.
Vakiteny voalohany: Asa 4,
32-35
Salamo setriny sady
fandinihana: 117
Vakiteny faharoa: I Jn 5,
1-6
EVANJELY: Jn 20, 19-31
― Ny Konfesy sy ny fifamelan-keloka.
“Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin'izy
ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana.”
Ankoatr’ireo antony ilàna ny fiadanana voalaza eo ambony,
dia mbola ilaina dia ilaina tokoa ny fiadanana amin’ny famelankeloka.
Matetika moa raha mamaky an’ity andinin’Evanjely ity, dia
mibahana ao an-tsaina ny fahefan’ny Eveka sy ny Pretra hamela heloka. Tsy horesahina
intsony io, tsy misy mahadiso an’izany, satria efa mazava. Fa ny tsy voalaza
matetika kosa dia ny hoe isika rehetra koa efa samy nandray ny Fanahy Masina,
ka tokony hampiasa izany fahasoavana izany amin’ny fifamelan-keloka ataontsika
amintsika samy isika.
Tsy mahasolo velively ny konfesy izany fifamelankeloka amintsika samy olombelona izany, nefa koa azo ambara
fa ny Konfesy ihany koa tsy mahasolo velively io fifamelankeloka takiana
amintsika samy isika io. Indray andro, raha nanontany i Md Piera, hoe
hatramin’ny impiry no tokony hamela ny rahalahy raha tonga mifona izy, dia
novalian’i Jesoa hoe: “Izaho tsy milaza
aminao hoe hatramin’ny im-pito, fa hatramin’ny impitopolo fito” (Mt 18, 22).
Mampisalasala ihany manko raha hoe nanota “maharary”
tamin’ny namany ny olona iray, nefa tsy mangata-pamelana, tsy manao azafady
amin’io akory, fa tonga dia lasa mikonfesy any amin’ny Pretra na ny Eveka…
Mazava loatra fa afaka ny fahotany, nefa koa samy miaiky isika fa misy zavatra mandringa ao, misy zavatra tsy ampy ao amin’izany
Konfesy izany, raha tsy mamela azy ilay namany, satria narary sy naratra loatra
ny fony….
Tsaroana eto ny tenin’i Jesoa hoe “Raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny otely hianao, ka eo vao
mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, (…) dia mandehàna aloha mihavana
amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.” (Mt 5, 23)
Hazava kokoa amintsika rahateo ny tian’i Jesoa ambara, raha
tsaroantsika fa rehefa manatitra fanatitra na manao sorona, ny jody, dia sady
misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fahasoavana nomeny no mangata-pamelàna ihany
koa tamin’izay tsy mety vita rehetra. Ka voalaza mazava eto hoe: mandehana aloha
mihavana izany hoe mandehana aloha mangata-pamelana, miala tsiny aminy farafaharatsiny, … Tsy
voalaza eto aloha hoe na manaiky ve izy na tsia, …. Fa ny zava-dehibe dia ny fietretena nandeha
nangata-pamelana sy nifona tamin’izay olona nahadiso.
― Ny Fanahy Masina manampy
antsika amin’ny famelankeloka.
Sarotra angamba hoy isika izany hanana fanetrentena hamela
ny fahotana nanakarary fo antsika izany, toy ny mahasarotra ihany koa ny handeha
hifona hangataka famelàna amin’izay olona nahadiso antsika, indrindra ka hoe
fahotana mahafaty no vitantsika. Eo indrindra anefa no ilàna ny fahasoavan’ny
Fanahy Masina. Izy no hanilo sy hanova sy hanadio ny fontsika mba hiainantsika
marina ny famelankeloka avy amin’ny Paka.
Efa resin’i Jesoa rahateo ny fahotana rehetra tamin’ny
Fitsanganan-ko velona, ka tsy isika indray no hiseho ho volo manoha randrana
amin’izany famelankeloka izany. Sady amin’ity alahadin’ny
famindram-pon’Andriamanitra ity, dia tokony haka tahaka Azy be famindram-po sy
mamela heloka ihany koa isika zanany rehetra.
Koa etsy an-daniny, raha sarotra aminao ny mamela ny hafa
noho ny ratsy tafahoatra nataony taminao, dia antsoy ny Fanahy Masina, ary etsy
an-kilany, raha tsy vitanao ny mietry tena mangataka famelana amin’ny namanao,
dia antsoy hatrany ny Fanahy Masina fa izy no manome antsika sy hampianatra
antsika ny zavatra rehetra.
TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:20:28ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.
Vakiteny voalohany: Asa 4,
32-35
Salamo setriny sady
fandinihana: 117
Vakiteny faharoa: I Jn 5,
1-6
EVANJELY: Jn 20, 19-31
― Tonga “eo anivontsika” i Jesoa rehefa “mihidy ny
varavarana”.
“Androtr'izay
ihany, izany hoe harivan'ilay andro voalohan'ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran'ny trano
nivorian'ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody”.
Mba diniho kely hoe inona no ataontsika
rehefa misy fahoriana na zavatra mampatahotra antsika? Moa manao toy ireto
mpianatra, miara-mivavaka, manidy trano, manidy ny varavaran’ny fontsika ve
isika, ka miantso an’i Jesoa, sa lasa mitotototo atsy sy aroa, mitady vonjy any
an-kafa?
Miseho amintsika sy mamonjy antsika
tokoa i Jesoa amin’ny zavatra hafa, fa ny tena azo antoka fa ahitantsika Azy,
dia ao amin’ny fiombonana lavorary ihany. Tonga eo anivontsika i Jesoa, tonga
ao am-pontsika, rehefa mirindrina ny varavarana, ka maharitra mivavaka ao
isika. Mba andramo àry izany fa mety ho izay ny anjaranao, ary zarao amin’ny
hafa rehefa nahitanao fahasoavana.
― Mitondra fiadanana marina ao am-pontsika i Jesoa.
“Dia
tonga Jeso ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Marihina kely, fa
ao amin’ny Baiboly, ny voambolana hoe “afovoany” na hoe eo “anivo” na hoe “ao
anaty”, dia azo adika ihany koa hoe “ao am-po”. Toy izany ohatra rehefa miteny
i Jesoa hoe: “Tsy manetriketrika fiavy ny
fanjakan’ny lanitra, fa indro eo anivonareo izy”, izany hoe “ao am-ponareo”
(Lk 17, 21).
Ka raha tonga àry
i Jesoa, mijoro eo afoavoany, sady mirindrina ny varavarana, dia ao am-pontsika
avokoa izany rehetra izany no mitranga. Ao rahateo i Jesoa no manome ny fiadanana:
ny tena fiadanam-po tanteraka. Ao ihany koa i Jesoa no mitsoka sy
mampidina ny Fanahy Masina. Izany rahateo no mahatonga ny hoe ny Fanahy Masina izay
monina ao anatinareo (mitoetra ao am-pontsika).
Io rahateo ilay fampianarana tamin'ny karemy hoe rehefa mivavaka ianao, dia midira ao an'efitranonao ary hidio ny varavarana (ao am-ponao), ka ny Ray izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao.
― Ireo antony ilàna ny tena fiadanana marina avy
amin’i Jesoa.
“Dia
tonga Jeso ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Mampandinika
tokoa ny hoe: inona ny lanja sy ny antony ilàna ny fiadanana eo amin’ny
fiainam-panahintsika, ka mahatonga an’i Jesoa hanisy tsindrim-peo sy
hanasongadina io fiadanana io eto amin’ity Evanjely ity?
Tsara homarihina
aloha, fa ny fiadanan’i Jesoa, tsy miankina velively amin’ny zavamanahirana
ivelantsika. Tsy hoe nanafoana ny fanenjehan’ny Jody ny fiadanana nentin’i
Jesoa, fa mampitony sy mankahery ny fontsika kosa hiatrika ny fanenjehana sy ny
mafy rehetra hatramin’ny martiry aza.
Maro manko ny mihevitra, fa mba hananana
fiadanam-po dia mila feno fiadanana sy tsy misy mpanelingelina ny
fiaraha-monina na ny firenena sy ny tany tontolo.... Dia miady fo
handringana sy handresy (farafaharatsiny handresy lahatra) ny ratsy fanahy….
Tsy izany velively anefa ny nataon’i Jesoa, fa navelany hamadika izay
te-hamadika azy, navelany handositra ny sasany, navelany handà in-telo ny hafa,
navelany, navelany daholo….
Tsarovy ihany koa fa fakam-panahy sy ny fitsapana, ny
fanenjehana sy ny faharatsiana dia hisy foana, ary vao mainka hihamafy aza, fa
izay mahay mandray ny fiadanan’i Jesoa kosa, hatoky mandrakariva hiatrika
an’izany....
Ka ny antony ilàna ny fiadanana àry, arak’izay voasoratra
eto, dia azo heverina, fa voalohany indrindra, ilaina ny fiadanana raha te-hanatanteraka
ny irak’i Jesoa isika, iraka haka tahaka sy hanaraka Azy. Hoy indrindra ny
Evanjely: “Dia hoy indray izy tamin'izy ireo: Ho
aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Raiko ahy no anirahako
anareo koa.
Manarak’izany, dia mila ny fiadanana isika raha te-handray
ny Fanahy Masina mba hahatontosana io iraka io araka ny sitra-pon’andriamanitra.
Aorian’ny Paka tokoa, dia asaina isika rehetra tsy an-kanavaka handray ny
Fanahy Masina. Mbola maka tahaka izay nataon’i Jesoa isika, amin’izany:
notorontoronina noho ny herin’ny Fanahy Masina, feno ny Fanahy Masina tamin’ny
batemy tao Jordany, nentin’ny Fanahy nankany an’efitra, ary niasa niaraka
tamin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra mandrakariva,....sns.
TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:15:50ALAHADY PAKA HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.
Vakiteny voalohany: Asa 4,
32-35
Salamo setriny sady
fandinihana: 117
Vakiteny faharoa: I Jn 5,
1-6
EVANJELY: Jn 20, 19-31
― Ny antony ilàna ny
fiombonana lavorary ao amin’ny Soratra Masina.
Mety hihevitra angamba isika, hoe tsy dia ilaina loatra izany fiainana ny
fiombonana izany, fa rehefa samy maka ho azy ao amin’ny sakramenta sy amin’ny
fanamasinan-tena dia ampy... Ny Soratra Masina anefa mampianatra mandrakariva
antsika, fa ao amin’ny fiombonana lavorary ihany no tena ahitantsika sy
ihaonantsika amin’i Jesoa nitsangan-ko velona.
I Maria Madelenina ohatra, rehefa irery, dia tsy nahalala avy hatrany hoe i
Jesoa nitsangan-ko velona io, fa noheveriny ho mpiandry saha. Toy izany koa ireo
roalahy nankany Emaosy (tafasaraka tamin’ireo 11 lahy), voasankana ny masony,
tsy hahafantatra an’i Jesoa raha tsy teo am-pamakiana ny mofo, fihetsika izay
nanehoan’i Jesoa ny fiombonana lavorary ho an’ny mpianany rehetra....
Amin’ny Evanjely anio indray ohatra, dia tsy niseho tamin’i Md Tomà, (nitokana
tany i Jesoa), fa tamin’ny mpianatra tafavory miaina ny fiombonana
mandrakariva... Singanina manokana angaha ny fisehoan’i Jesoa tamin’i Simòna Piera,
izay tsy voatantara an-tsipiriany akory aza...
Hohitantsika ihany koa fa ireo fotoana manandanja (Andro Fiakarana na ny
Fidinan’ny Fanahy Masina,...) dia mitranga mandrakariva ao anatin’ny
fahalavorarian’ny Fiombonana amin’ireo mpino. Tena “mampite-hiteny” izany
rehetra izany hoe: raha tiantsika hiseho, hitranga sy hiasa eo anivontsika i
Jesoa na ny Fanahy Masina, dia iezaho holavorariana mandrakariva ny fiombonana
sy ny firaisam-po tanteraka amintsika, fa ho avy tokoa Izy hanova sy hanavao ny
fiainantsika, rehefa miray fo, miombom-panahy ary miray saina tanteraka isika.
Mbola manana 40 andro indray àry isika hiomanana, hanatsarana sy handavorariana
izany fiombonana izany...
― Tsy mavesatra ny didin’Andriamanitra: ny fomba
fijerintsika no mampahavesatra na manamaivana an’izany.
“Fa
ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny”. (Vakiteny II)
Resahina kely ity
fitandremana ny didim-piombonana lavorary ity satria matetika manahirana
antsika, sady sarotra ho antsika ny manatanteraka azy. Mazava anefa ny
tenin’Andriamanitra, fa tsy mavesatra ny didiny: “maivana sady mora entina ny jiogako” hoy i Jesoa (Mt 11, 30).
Diniho tokoa àry,
fa ny mampahavesatra ny didin’Andriamanitra dia ny fomba fijerintsika mitanila,
mijery fotsiny ny fahasahiranantsika manatanteraka ny didin’Andriamanitra fa
tsy mba mijery ihany koa ny tombontsoa be lavitra azontsika amin’izany. Raha
tiantsika ohatra ny hanatanteraka zavatra iray, eo amin’ny fiainana, dia ny
tombontsoantsika avy amin’izany ihany no tokony hifantohantsika fa tsy izay
mety ho fahasahiranana eo am-panatanterahana izany: “Tsy ny fositra no tsy ambolem-boavary” hoy ny Ntaolo.
Tsarovy fa isaky
ny manatanteraka ny didin’Andriamanitra isika, isaky ny mamela ny hafa, isaky
ny mandefitra sy miaritra, isaky ny mivavaka ho an’ny mpanao ratsy antsika,
isaky ny mahafoy ho an’ny hafa, sns... dia manamaivana ny fo amam-panahintsika
sy mampisondrotra azy ho amin’ny ambonimbony sy “akaikikaiky” kokoa
an’Andriamanitra.
=> Ka inona àry no
tena tiantsika ho azo: ny fisondrotan’ny fo amam-panahintsika (ny
fahamasinantsika) miaraka amin’ny fahasoavana raisin’ny hafa (heverintsika ho
fahavalo sy izay manao ratsy antsika) ve, sa ny misakana izany fahasoavan’ny
hafa izany, sady manavesatra rahateo ny fo amam-panahintsika, mba samy ho
“tavela” isika rehetra? Tadidio, fa ny lolom-po, ny hatezerana, ny lonilony, ny
tsy famelana, ny fialonana sy izay mety ho fahotana rehetra ataontsika, dia
manavesatra ny feon’ny fieritreretana sy ny fo amam-panahintsika.
Isaky ny tsy tia
ny hafa tokoa isika, isaky ny tsy miraharaha, isaky ny mialona sy mankahala, dia
misakana ihany koa ny fahasoavana tokony horaisintsika avy amin’Andriamanitra:
ary marina mandrakariva izany amin’ny lafiny rehetra. Izany rahateo no
maha-Andriamanitra be famindram-po sy manankarem-pahasoavana azy, izany rahateo
angamba ny hoe “ny fihevitro tsy
fihevitrareo...”
Ho maivana
amintsika àry ny didin’Andriamanitra raha ny fahasoavana miampy fahasoavana
miavosa horaisintsika no ifantohantsika, fa tsy izay tombontsoa sy fahombiazana
kely mandalo, azon’ny hafa “ratsy fanahy” amin’ny fahotana namelezany sy
nahavoazany antsika...
TORITENYPosté par Ra-Hiandry lun., avril 16, 2012 21:08:50ALAHADY PAKA
HERINANDRO FAHA-2, ALAHADIN’NY FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA.
Vakiteny voalohany: Asa 4, 32-35
Salamo setriny sady fandinihana: 117
Vakiteny faharoa: I Jn 5, 1-6
EVANJELY: Jn 20, 19-31
― Ny vokatry ny Paka dia ny fiombonam-po sy
fiombonam-panahy.
“Ary niray fo sy
fanahy avokoa ny mpino rehetra”. (Vakiteny I)
Eto am-piandohana, dia mampianatra
antsika ny vakiteny voalohany, fa ny fiombonana tanteraka no fahasoavana
voalohany raisina avy amin’ny Paka: fiombonam-po
amam-panahy. Izay avy nankalaza ny andro sy ny herinandron’ny Paka, nefa
tsy mahazo ny hevitr’izany sy tsy miaina fiombonana izany, dia toy ny tsy mino
sy ny tsy mankalaza ny Paka ihany. Sady ambonin’izany, isika rahateo efa nomena
havaloana be izao, handinihina sy hahazoana tsara ny hevi-dalina sy ny
fahasoavana fonosin’ny Fitsanganan-ko velona. Izany no mahatonga ny hoe: ny vakiteny
tamin’ny Herinandro Masina sy ny Paka ihany no averina vakiana mandritra ny
havaloana fankalazana ny Paka.
Mila aseho sy iainana anefa izany
fiombonana lavorary izany, fa tsy vitan’ny inoana ao an-tsaina sy ao am-po
fotsiny. Ho an’ny mpino tamin’izany andro izany àry, dia ny fifampizaràna ny
fananana ara-materialy no nanehoany an’izany. Ho antsika ankehitriny kosa mba inona?
Mazava loatra fa tsy miova ny hevi-dehibe: fiombonana tanteraka, fa ny fomba
fanehoana an’izany kosa no miova araka ny toerana sy ny fotoana sy ny zava-misy
iainana.
=> Samia àry mikaroka izay fomba
anehoany an’izany fiombonam-po amam-panahy izany. Ny Fiangonana ohatra, dia efa
miezaka manolotra antsika safidy samihafa mba hahafahantsika miaina izany. Eo
ny fidirana ho mpikatroka amin’ireo Fikambanana masina isan-karazany, eo ny
fandraisana anjara amin’ireo herivelona ao amin’ny Fiangonana: komity sy
vaomiera isan-tokony, ary eo ihany koa ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana
ny “andro” sy rakitra samihafa (andron’ny Tanora, andron’ny fiantsoan’Andriamanitra,
andron’ny marary hoditra,.... Rakitra
ho an’ny tany masina, rakitra ho an’ny Papa, sns...).
Raha tsorina, dia tsy ampy velively ny mamonjy lamesa sy ny
fotoam-pivavahana dia mody, miolonolona irery any, fa ilaina ny fiombonana
aseho amin’ny endrika hafa. Mahagaga tokoa fa raha tokony ho fara-tampon’ny
Fiombonana ny Fankalazàna ny Sorona Masina, dia lasa toa zary maivan-danja
izany fiombonana izany ao amin’ny Sorona Masina, miohatra amin’ireo fotoana
hafa....Matetika dia mahatsiaro “mifanakaiky am-po sy am-panahy” kokoa ny olona
any amin’ny fotoana sy fihaonana hafa... Asa, ... samy maika hody ve ao amin’ny
Lamesa?....
― Ny Fiombonana lavorary no “faratampony” ho
antsika kristianina.
“Izay
rehetra mino fa i Jeso no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra
tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa
tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny
fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny”. (Vakiteny
I)
Rehefa
mandinika ny Soratra Masina tokoa, dia tsapantsika fa tena zava-dehibe ny
fiombonana lavorary ho an’ny mpino. Androany ohatra, raha miresaka amintsika i
Md Joany ao amin’ny vakiteny faharoa momba ny fitiavana an’Andriamanitra sy
fitandremana ny didiny, na koa ny hoe mandresy ny ratsy sy ny fahotana, dia
hohitantsika fa ny Fiombonana lavorary ihany no ao ambadik’izany rehetra izany.
Inona
tokoa moa ny didy lehibe sy vaovao nomen’i Jesoa antsika, raha tsy ny fifankatiavana
(fiombonam-po,...) ao amin’ny fifanompoana sy ny fahafoizana (service et
sacrifice), toy izay nasehony tamin’ny Alakamisy Masina?
Ary inona ihany koa no fandresena
izao tontolo izao sy ny ratsy rehetra raha tsy ny fiombonana lavorary amin’Andriamanitra
sy ny namana? Ny fahotana tokoa no mampisaraka antsika amin’Andriamanitra sy ny
namana, fa ny fitiavana sy ny finoana kosa, dia mampiombona antsika
mandrakariva. Ka raha resin’i Jesoa ny fahafatesana, dia midika izany fa resy
ihany koa izay fisarahana heverintsika olombelona ho mafy indrindra (ny
fahafatesana), fa manjaka kosa ny fiombonana feno sy lavorary tanteraka eo
amin’ny lanitra sy ny tany, eo amin’ny samy olombelona, fa indrindra eo amin’ny
olombelona sy Andriamanitra: “Triatra hatrany ambony ka hatrany ambany ny
efitra lamba tao an-toerana masina indrindra, tao an-tempoly” (Mt 27, 51;
Mk 15, 38; Lk 23, 45; He 6, 19). “Rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany
aho hoy i Kristy, dia hitarika ny olon-drehetra hanatona ahy” (Jn 12, 32).
TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:22:06ALAHADY KAREMY-5-11, TAONA
B
FAMINTINANA.
- Tsy ny herintsika irery intsony no manome voninahitra an’Andriamanitra.
Raha fintinina àry izay voalaza rehetra izay, ka ampifanohizina ireto
tenin’Andriamanitra ireto, dia izao no azo ambara.
Tapakevitra tanteraka Andriamanitra hanao Fanekempihavanana vaovao
amintsika, ka any amin’ny lalina indrindra, any amin’ny “maharary” antsika, any
amin’ny fontsika mihitsy no anoratany an’io fanekempihavanana vaovao io.
Tsy
maintsy miainga avy ao am-po tokoa manko ny zavatra rehetra, raha tiana
hahitam-pahombiazana.
Ary ny lalàna hosoratany ao am-pontsika, dia tsy inona fa ny lalàn’ny
Fiantorahana tanteraka sy ny fanekena lavorary, n’inon’inona mitranga,
hatramin’ny fahafatesana aza.
Ary ireo ihany no antoka ahavitantsika mahafoy sy manaiky ho faty, mba
hamokatra bebe kokoa ho an’ny famonjena antsika sy hafa. Dia ireo ihany koa no
antoka hahavitantsika mikatsaka sy manatanteraka mandrakariva ny
voninahitr’Andriamanitra amin’ny fandresena ny ratsy rehetra afitsok'i satana ilay mpanapaka an'izao tontolo izao.
=> Hotanteraka amintsika anie izany rehetra izany. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka
sy ny Fanahy Masina….
TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:19:33ALAHADY KAREMY-5-10, TAONA
B
EVANJELY.
- Ny voninahitr’Andriamanitra dia ny mandresy ny ratsy.
“Ankehitriny ny
mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.”
Tsy iza akory io mpanapaka an’izao tontolo izao io, fa ny devoly sy
satàna. Ny fomba mahomby handresena azy tokoa dia tsy inona fa ny fikatsahana
mandrakariva sy ambonin’ny zavatra rehetra ny voninahitr’Andriamanitra irery
ihany.
Tadidintsika ny fakampanahy fahatelo nataon’ny demony tamin’i Jesoa tany
an’efitra: nasehon’ny demony Azy ny voninahitr’izao tontolo izao sy ny
fanjakany, ka hoy ilay io taminy hoe raha miankohoka amiko ianao, dia homeko
anao izao rehetra izao.... Mazava sy hentitra ny valintenin’i Jesoa hoe: “Mialà ry Satàna, ny Tompo Andriamanitrao
ihany no hotompoinao.”
Tsy izany mangorona sy manangona lava ho an'ny tena izany àry no fahamasinana, fa ny manome sy mizarazara izay ananana, eny hatramin'ny aina aza....
=> Ny fikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra àry dia safidy tsy maintsy
ataontsika ao amin’ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ny
andavanandrom-piainana. Eny hatramin’ny antsipiriany indrindra. Satria tsy kely
lalana ny ratsy, ka na dia izay asa miharihary fa tsara, toy ny fivavahana aza,
rehefa tsy voatandrina dia lasa tsy fanomezamboninahitra an’Andriamanitra, fa
lasa fitadiavana voninahi-tena, toy ilay farisianina nivavaka tao an-tempoly,
ka sady misaotra an’Andriamanitra no nanaratsy ilay poblikana namany.
TORITENYPosté par Ra-Hiandry ven., mars 30, 2012 00:15:15ALAHADY KAREMY-5-09, TAONA
B
EVANJELY.
- Ny ora-(fotoana)n’ny fanomezamboninahitra, ny tena voninahitra
marina.
“Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny
Zanak’olona. Raha
misy manompo ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. …. Raiko ô, omeo
voninahitra ny anaranao..... Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko
voninahitra indray.”
Dia iaraha-mahita tokoa fa resaka fanomezamboninahitra no tohin’ny
tantara. Ary tsy ny Ray, na i Jesoa ihany no voakasik’izay fanomezamboninahitra
izany, fa ny mpino rehetra manaiky an’i Jesoa ihany koa: “Raha misy manompo (mihaino sy
manaiky) ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.”
Ny fomba fanomezamboninahitra anefa no tsy araka izay mahazatra ny
olona. Ho an’i Jesoa, ny hoe manome voninahitra dia tsy ny manangona (maka,
mangorona, manao am-pihimanba) ho an’ny tena irery, fa ny manome sy mizara ary
mahafoy ho an’ny hafa. Tsy hoe tia tena samy maka ho azy, fa mahafoy
hatramin’ny aina: “Lazaiko
marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny
ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no
hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.”
=> Aoka àry isika mba tsy hisy hitaraina intsony rehefa mba misy “occasion”-
fijaliana na fitsapana atolotr’i Jesoa antsika eo amin’ny fiainana. Ny
dikan’ireny manko dia ny mba hahafahantsika manome voninahitra an’Andriamanitra,
no sady ahafahantsika ihany koa mitahiry ny voninahitra ho antsika, izay haseho
miharihary amin’ny fotoana mahamety azy. Tena zavatra efa diso fantantsika
izany. Na ireo mahery fo maty ho an’ny tanindrazana aza, eny fa na dia ireo
mpiasampanjakana, nahafoy tena niasa tsara sy maharitra ho an’ny firenena, dia
tolorana mari-boninahitra amin’ny fotoan’androny.... Mainka ve fa isika mahafoy
ny zavatra rehetra ho an’i Jesoa....
Choose image for share content |
---|
|